Ny Fanahy Masina araka ny tenin’i Jesoa

Mofonaina anio: Talata, faha 30 Mey 2023

JAONA 15.26-27

JAONA 15.26-27
26 Fa raha tonga ny Mpananatra*, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. [* Izahao 14.16] 27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin'ny voalohany.

Ny Fanahy Masina araka ny tenin’i Jesoa

1-Mpananatra

Manohy ny fampianarana sy ny fananarana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo mpanara-dia Azy ny Fanahy Masina, mba hitomboana amin’ny fahalalana sy hahafahany mitondra tena tsara araka ny finoana.Voalazany mihitsy moa ao amin’ny Jao.16,13 ny hoe : »fa tsy hiteny ho Azy Izy (ny Fanahy Masina io) fa izay ho reny dia holazainy avokoa , ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo ».

2-Irak’i Jesoa Kristy avy amin’Andriamanitra Ray

Hita eto ny momba ny Trinite, izay foto-pinoantsika .Maneho izao Tenin’i Jesoa izao fa tena tokana Andriamanitra, fa ho mariky ny fitohizan’ny asam-pamonjena ataony, sy mba hahafahantsika olombelona hahafantatra misimisy kokoa ny momba Azy Andriamanitra dia asehon’i Jesoa izao endrika fanirahana izao.Tsy hevitra fahasamihafana araka izany no tokony horaisintsika eto fa hevitra fitohizana , fiovan’ny endrika isehoan’Andriamanitra fa tsy fiovan’ny maha- Izy Azy .

3-Fanahin’ny fahamarinana

« ny Teninao no fahamarinana » Fanahin’ny fahamarinana » (Jao 17.17) . Ny hoe: « Fanahin’ny fahamarinana » araka izany dia azo ambara koa hoe : « Fanahin’ny Tenin’Andriamanitra  » . Ny fahatakarana ny hevitry ny Soratra masina araka izany dia tsy efan’ny fanahy sy saina maha-olombelona fotsiny fa ny Fanahin’ny Tenin’Andriamanitra ihany no manome ny fahazavan-tsaina ka hahafantarana ny marina rehetra .

4- Vavolombelona manambara an’i Jesoa Kristy .

Tsy hitondra fampianarana vaovao tsy akory ny Fanahy Masina fa manamafy ny fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy vavolombelona misolo vava Azy.

Fanontaniana :

Inona no adidin’izay nandray ny Fanahy Masina , hoy I Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny Fanahin’ Andriamanitra

Asabotsy, 27 Mey 2023

2Samoela 23,1-7 Ny Fanahin’ Andriamanitra: 1-Fanahy mampiteny « Ny Fanahin’i Jehovah no mampleny ahy: ary ny…

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina...

Alakamisy, 25 Mey 2023

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ka manosotra ny mpanompony mba : 1-Hitondra ny Tenin’Andriamanitra Tena…

Manaiky iasan’Andriamanitra ve ianao...

Talata, 16 Mey 2023

Ity tantaran’i Saoly sy Davida mpanjaka ity dia azo fintinina amin’ny hoe : i Saoly…