Ny asa pastoraly ho an’i Petera

Mofonaina anio: Zoma, faha 28 Aprily 2023

JAONA 21.15-19

JAONA 21.15-19
15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin'i Simona Petera: Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko. 16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko. 17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak'i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko. 18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. 19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.

Ny asa pastoraly ho an’i Petera

Na dia tsy mitovy mihitsy aza ny fomba fitantaran’ny Filazantsara tsirairay ny zava-nisy araka ny maha-izy azy ny mpanoratra tsirairay sy ny nifandraisan’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy dia azo lazaina hoe : misy itovizany ny venti-kevitry ny Filazantsara rehetra , mitantara ny fitsanganan’ i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy ny zava-niseho taorian’izany , indrindra fa ny fanirahana ny mpianatra hanaparitaka ny Filazantsaran’ny fandresena amin’ny olombelona rehetra .

Efa nanambara mantsy i Jesoa Kristy ato amin’ny Filazantsara araka an’i Jaona hoe : handeha Aho dia irahiko ho aty aminareo ny mpananatra hitarika anareo amin’izany .Tonga ny fotoana eto momba izany fanirahana ny mpianatra izany hanohy ny asa natombok’i Jesoa kristy . Eto dia miresaka an’i Petera manokana ny teny .Koa raha haniraka an’i Petera i Jesoa Kristy dia naninona Izy aloha no nanontany intelo an’i Petera ny mahakasika ny fitiavan’i Petera Azy ?

I Petera dia niseho ho tena nafana fo tamin’ny fanarahana Azy mandrakariva .Nialoha làlana ny mpianatra hafa hatrany i Patera eo amin’ny resaka ifanaovana amin’ny Tompo , eo amin’ny zavatra maro samihafa ifandraisan’ny mpianatra aminy ( jereo Mat 26.30-35/ Mar 14.26-31) .Misy mpahay Baiboly milaza hoe: toy ny filohan’ny fikambanan’ny 12 lahy mihitsyi Petera ,izy koa anefa no ilay mpianatra nahavita nandà tanteraka ka nilaza ho tsy nahafantatra an’i Jesoa Kristy rehefa nenjehan’ny Jiosy Izy .

Sao sanatria mbola misy Petera tsy tapa-kevitra any ho any ka manontany anao koa i Jesoa Kristy eto , ahoana marina moa ny tena fitiavanao Azy?

Fanontaniana:

Ahoana no hanaporofoinao sy iainanao fa vonona amin’ny asa fanompoana anirahan’i Jesoa Kristy anao ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Fanendreny sy fanirahany mpiandry ma...

Alakamisy, 27 Aprily 2023

Toe-javatra iray hain’ny olona loatra ny tontolon’ny fiandrasana ondry , satria hatrany am-piandohana dia isan’ny…

Afafy tena araka ny fomban’aina Izy ...

Talata, 25 Aprily 2023

Afafy tena araka ny fomban’aina izy , atsangana ho tena araka ny fombam-panahy Ny Grika…

Atolory àry ny tena ho an’Andriamani...

Alatsinainy, 24 Aprily 2023

Araka ny fampianaran’ny fiangonana dia tarihana ny olona rehetra na iza na iza mba hatao…