Mandrindra fiainana ny Tenin’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Febroary 2023

SALAMO 119.9-16

SALAMO 119.9-16
9 [BETA] Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao. 10 Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao; Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho. 11 Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao. 12 Isaorana anie Hianao, Jehovah ô; Ampianaro ahy ny didinao. 13 Ny molotro no nentiko nilaza Ny fitsipika rehetra naloaky ny vavanao. 14 Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako, Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. 15 Ny didinao no hosaintsainiko, Ary hodinihiko ny lalanao. 16 Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.

Mandrindra fiainana ny Tenin’Andriamanitra

and « Inona no hiarovan’ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto? Ny fitandremana araka ny teninao  »

1-Aza mihaino fotsiny fa tanteraho

Matetika isika faly mihaino ny teny ihany ka manadino ny manatanteraka izay voambara .Raha jerena ny fifandraisana sy ny fampiasan’ny olona izay eo amin’ny tenany dia ny sofina no miasa be indrindra amin’ny fandraisana ny Tenin’Andriamanitra , saingy maro ny teny no tafajanona fotsiny eo amin’ny sofina fa tsy ahitana fiatraikany amin’ny fiainany . Izany no mahatonga ny Tompo hiteny hoe :  » Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo , fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo » (Kak 1.22) . « Fa aina ho an’ny mahazo azy Izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra » (Ohab 4.22)

2-Handeha amin’ny fahadiovana ianao

Iza tontolo izao dia mandrombaka antsika mba hilentika ao anaty fotaky ny fahotany . Ny Tenin’Andriamanitra anefa no arofanina ho antsika (and105) ,izay manana ny tenin’Andriamanitra dia tsy hiraparapa anaty aizim-pahotana sy aizim-pahoriana fa hanana ny fahazavan’ aina ary tsy izany ihany fa hahita fahasambarana mihitsy koa aza (Sal 1.1-6) .

Fanontaniana :

Inona no andrasanao tsy handraisanao ny Tenin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Inona no mahatonga ny olona raha tsy...

Zoma, 17 Febroary 2023

And 2  » Ary ilay lehilahin’Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’i Jehovah ... » Nahoana…

Andriamanitra Mpahary

Zoma, 27 Janoary 2023

Andriamanitra Mpahary 1- Mifandray amin’ny Jentilisa Fatra-pivavaka tokoa ny vahoaka Grika tranainy ary nanana ny…

Mitodika ho amin’Andriamanitra izao ...

Alakamisy, 26 Janoary 2023

Mitodika ho amin’Andriamanitra izao rehetra izao 1-Ny lanitra midera Azy Milaza ny fahamboniana faratampony ,…