Araraoty ny fotoana omen’Andriamanitra

Mofonaina anio: Talata, faha 24 Janoary 2023

MPITORITENY 12.1-7

MPITORITENY 12.1-7
1 Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao; 2 dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana; 3 fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely, 4 ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely*, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;[ Na: ka tsy mafy noho ny an'ny voron-kely aza ny feony] 5 ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony* fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe [Na: hitsaha-panirian-javatra izy] 6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano, 7 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny.

Araraoty ny fotoana omen’Andriamanitra

Fampianarana goavana asongadin’ny mpitoriteny ny hoe : zava-poana sy mandalo ny zava-drehetra; araka izany dia tsy tokony holanilaniana foana .

1-Araraoty hahatsiarovana an’Andriamanitra

Resahana manokana eto ny hoe: « andro fahatanoranao« .Mazana tokoa mantsy ao anatin’ny vanim-potoana io dia variana ny amin’izao fiainana izao sy ny filany ny ankamaroan’ny olona ka manara-po amin’ny fahafinaretana mandalo samihafa , izay manimba ny fiainany ihany avy eo .Adinon’ny tanora maro fa avy amin’Andriamanitra io fahatanorany izay oharin’ny Soratra masina eto io amin’ny andron’ny « masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana » .Ny olona mahatsiaro an’Andriamanitra mantsy tsy manaram-po amin’ny sitrapon’ny tenany .

2-Araraoty hikolokoloana ny fiainam-panahy

Raha avy ny andro ka miverina amin’ny tany ho toy ny teo »ny nofo aman-dran’ny olombelona ,« ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra izay nanome iny ». Koa io fanahy tsy maty sy tsy levona io no tokony hokolokoloina fatratra mihoatra ny fikolokoloana ny endrika amam-bika izay andanian’ny olona sasany ny fotoana betsaka eo amin’ny fiainany tokoa. Araka ny ambaran’ny Soratra Masina ,izay hahafahantsika mikolokolo ny fiainam-panahy dia ny fifandraisana amin’Andriamanitra irery ihany ka hahafantarana izay sitrapony sy hahazoana hery hanatanterahana izany amim-pitiavana .

Fanontaniana :

Inona avy no mahavariana ny olona ankehitriny ka mandanilany foana ny fotoanany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mahatsiaro ny faharian’Andr...

Asabotsy, 21 Janoary 2023

Ny olona mahatsiaro ny faharian’Andriamanitra 1- Midera sy mihoby Azy Ny fiderana dia tena fiainan’ny…

Miderà an’Andriamanitsika

Alahady, 15 Janoary 2023

Apokalipsy 4.9-11 Miderà an’Andriamanitsika Anisany mitana anjara toerana voalohany eo amin’ny fanompoam-pivavahana fanaon’ny Fiangonana Kristiana…

Ny toetoetry ny lanitra vaovao sy ny...

Alatsinainy, 2 Janoary 2023

APOKALYPSY21.1-8 Ny toetoetry ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao Ny Soratra Masina dia milaza…