Izay mitana mafy ny finoana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 31 Aogositra 2022

1 PETERA 5.5-9

1 PETERA 5.5-9
5 Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona*. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3.34). [* Gr. presbytera] 6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55.22). 8 Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.

Izay mitana mafy ny finoana dia :

1-Misikina fanetrentena

Toetra tokony hampiavaka ny olon’Andriamanitra ny fanetrentena : manetry tena ho ambany noho ny hafa .Tsy miseho ho manambony tena fa mietry ambany dia ambany tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy , na dia Andriamanitra aza Izy dia nietry hatraty amintsika . Ny hoe : misikina dia : mamatotra lamba amin’ny vatan’ny tena , mamatotra lamba fotsy kely na aron’akanjo eo ivelan’ny fitafiana mba hamantarana anao hoe : mpanompo .I Petera dia mampirisika antsika mba hisikina fanetrentena , mba hamantarana antsika ho mpino mitana mafy ny finoana an’i Kristy ary hahazoantsika ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanampiany (and5-7).I Jesoa Kristy koa nisikina lamba famaohana ary nanasa ny tongotr’ireo mpianany (Jao 13.4-5) . Mpanompon’Andriamanitra isika .Mahaiza manetry tena .

2-Tsy hanana ahiahy

Manoro hevitra ny mpino i Petera mba hatoky an’Andriamanitra , tsy hanahiahy foana amin’izay atrehana . Asain’i Petera mifehy tena izy ireo ary ho mailo satria miremby ny fahavalo ( and8 ) .Tokony hijoro tsara amin’ny finoany , ka tsy hiala an-daharana rehefa manafika ny fahavalo .Tsy irery izy ireo fa ao Andriamanitra miahy azy . Ary tsy mitsahatra miahy ny zava-boahary tsy ankanavaka izy (Sal 104.145). Mazava ny Tenin’i Jesoa raha manantitrantitra Izy fa Andriamanitra no miahy ny voro-manidina sy ny voninkazo eny an-tsaha (Mat 6.26-30/10.29) .koa aza manana ahiahy fa tano mafy ny finoana ,miorena tsara , aza miova.

Fanontaniana :

Hatraiza ny fanetrentenanao satria mpanompo ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Tano mafy ny finoana

Alahady, 28 Aogositra 2022

Tano mafy ny finoana 1 Hananana fahendrena Asehon’ny mpanoratra antsika eto, fa ilay safidy mitondra…

Fanoharana ny amin’ny mpamafy

Asabotsy, 27 Aogositra 2022

Ity fanoharana ity no nampiasain’i Jesoa hanambarany ny fomba fandraisan’izao tontolo izao ny Filazantsara. Ireto…

Ny finoana miasa ao anaty

Zoma, 26 Aogositra 2022

Ny finoana miasa ao anaty 1- Manosika ny olona hitoky feno amin’Andriamanitra. Asain’i Paoly mananatra…