Manadio ny fivavahana ny Tompo satria fahefany izany

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Jona 2022

LIOKA 19.45-48

LIOKA 19.45-48
45 Ary niditra teo an-kianjan'ny tempoly Jesosy, dia nandroaka izay nivarotra 46 ka nanao taminy hoe: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko dia trano fivavahana (Isa. 56. 7); fa ianareo kosa nanao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jery. 7. 11). 47 Ary nampianatra isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly Izy. Fa ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nitady hahafaty Azy; 48 nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.

1-Manadio ny fivavahana ny Tompo satria fahefany izany (and45-46)

Rehefa niakatra ho ao ao Jerosalema Jesoa , naneho ny maha-mpanjaka Azy dia nanadio ny Tempoly .Noroahany ireo mpivarotra ary naveriny amin’ny maha-Tempoly fihaonana amin’Andriamanitra azy izany . Nodioviny satria lasa fanaovana afera afera ny Tempoly noho ireo fanakalozana samihafa tao sy ny fanilihana ny Jentilisa. Nahatezitra an’i Jesoa izany ka nodioviny ny fivavahana , noravany izany endrika manimba ny fivavahana izany .Tandremo sao mandoto ny fivavahana , aoka handini-tena tokoa .

2-Manala ny ratsy apetraka ny tsara

Mazava ny Tenin’i Jesoa : »Ny tranoko dia atao hoe: trano fivavahana fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren’ny jiolahy  » (and 47-48) .Mpihatsaravelatsihy mantsy ny mpitondra fivavahana tao tamin’izany fotoana izany .Nantsoin’i Jesoa avy eo ireo voailikilika hatrizay , kanefa te- hanatona an’Andriamanitra fa tsy nisy navelany ho very .Ho hitantsika fa afaka fotoana fohy taorian’io dia rava tokoa ilay efitra lamba tao amin’ny Tempoly talohan’ny nialan’i Jesoa aina. Hoy ny Soratra Masina : « Indro aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin’ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly  » (Jer 1.10)

Fanontaniana:

Isika ve anisan’ilay mpandoto fivavahana sa mpanitsy azy sy mpampianatra ny fivavahana marina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny Fanahy Masina sy ny zava-boahary

Talata, 31 Mey 2022

Ny Fanahy Masina sy ny zava-boahary Manana anjara toerana manokana hitondran’ Andriamanitra ny zava-boahary ny…

Ilay Fanahy Masina mampandresy

Alatsinainy, 30 Mey 2022

Ilay Fanahy Masina mampandresy « Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsy fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra…

Ilay Andriamanitra Raintsika 

Alahady, 29 Mey 2022

Ilay Andriamanitra Raintsika 1- Mitsinjo ny zanany mandrakariva Afaka mifandray amin’Andriamanitra mandrakariva isika zanany, fifandraisana…