Jesoa Kristy nitsodrano ny mpianany 

Mofonaina anio: Zoma, faha 27 Mey 2022
Lioka 24,50 - 53
50 Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. 51 Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra. 52 Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra. 53 Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.

Jesoa Kristy nitsodrano ny mpianany

Toe-javatra miavaka no niseho tamin’ny fotoana namarana ny fiarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra. Fisaorana nanolorany tsodrano manokana ho azy ireo.

1- Nandray fitahiana ny mpianatra

Nifarana ny fotoana niarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny mpianatra tamin’ny endrika hita maso. nofo aman-dra. Andraikitra manokana no miandry ny mpianatra dia ny hanohy ny asan’i Jesoa Kristy, hitory ny Filazantsara nifidianany azy ireo. Mba hahafahan’ny mpianatra manatanteraka izany dia mitsodrano azy ireo i Jesoa Kristy. Tsodrano : mifarana ny tontolo niarahana teo aloha, tontolo vaovao indray no misehatra atrehin’ny mpianatra. Miatrika ny ho avy eo ambany fitahian’i Jesoa Kristy ny mpianatra, antoka ho amin’ny fahombiazana izany .

2- Nandroso hery ny mpianatra

Rehefa nandray ny tsodrano ny mpianatra dia feno hery, feno fahavononana hanatanteraka ny iraka napetrak’i Jesoa Kristy tamin’izy ireo. Tena miavaka tokoa ny fiainan ‘izy ireo. Matetika rehefa mandao ny olona tena akaiky dia kivy, ketraka, mila tsy hahajoro ny olona. Tsy mba toy izany ny mpianatr’i Jesoa Kristy, fifaliana, faherezana, fahavononana hanao ny asa fanompoana no hita taratra teo amin’ny fiainany. Midika izany fa ny olona mandray ny tsodrano avy amin’i Jesoa Kristy dia feno hery sy fahavononana hanatanteraka asa fanompoana .

Fanontaniana :

Nahoana no misy hatrany ny Tsodrano atolotra ho an ny mpino rehefa mifarana ny fanompoam-pivavahana na koa amin ny fanompoam-pivavahana fanokanana samihafa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny olona mandeha araka ny Fanahy Mas...

Alarobia, 25 Mey 2022

Ny olona mandeha araka ny Fanahy Masina Ambaran’i Paoly Apostoly eto ny fahasamihafana eo amin’ny…

Ny olona nandray ny Fanahy Masina 

Talata, 24 Mey 2022

Ny olona nandray ny Fanahy Masina 1- Milaza ny Tenin’Andriamanitra Samy hafa ny olona manana…

Mpino tarihin’ny Fanahy Masina 

Alatsinainy, 23 Mey 2022

Mpino tarihin’ny Fanahy Masina Ny asa fanompoana notanterahin’i Barnabasy tany Antokia no hitantsika eto. Barnabasy…