Aoka ho fantatsika

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Martsa 2022

LIOKA 23.39-43

LIOKA 23.39-43
39 Ary ny anankiray tamin'ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay. 40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an'Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? 41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin'ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. 42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin'ny fanjakanao Hianao. 43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.

Aoka ho fantatsika

1-Fa tsy maintsy mandray ny valin’asany ny olona rehetra

« Ary marina ny hanamelohany antsika , satria mandray ny valin’ny nataontsika isika  » (and41) . Fahamarinana izany , tsy maintsy misy valiny ny atao rehetra .Tsara atao mivaly tsara , ratsy atao mivaly ratsy . Jiolahy ny asan’izy roalahy ireto dia tsy maintsy voasazy , ka na dia afaka amin’ny làlan’ny tany aza dia tsy afaka miala amin’ny fitsaran’Andriamanitra . Ry havana , izany no maha-Andriamanitra marina ny Andriamanintsika .

2-Raha mibebaka kosa dia mahazo ny fiainana mandrakizay

« Dia hoy i Jesoa taminy : lazaiko aminao marina tokoa , anio no hihaonanao amiko any Paradisa » (and 43).Jiolahy no asany , olon-dratsy , kanefa ora vitsy alohan’ny nahafatesany dia nahazo ny paradisa , satria nanetry tena , nibebaka tamin’ny fahotany . Na rariny amin’olombelona izany na tsy rariny dia izay no fahamarinana. Ny fialana amin’ny ratsy atao ka tsy mamerina izany intsony no takiana , dia azo antoka ny paradisa . Tsy midika ho fangatahana andro kosa anefa izany ka hanao hoe : « andeha aloha hangataka andro fa rehefa akaiky ho faty vao hibebaka » . Hoy ny Soratra Masina hoe : «  Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesoa  » Romana 8.1

Fanontaniana :

Fantatsika tsara fa tonga amin’ny fotoana tsy ampoizina ny fahafatesana . Noho izany , efa nibebahantsika avokoa ve izay ratsy nataontsika rehetra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ahoana no ahazoano antoka fa hefain’...

Alatsinainy, 28 Febroary 2022

2- Ekeo am-panetren-tena ny Teniny (and 38) Nanaiky i Maria ho fitaovana hanatanterahana ny famonjena,…

Mitàna ny Teniny ny Tompo

Alakamisy, 24 Febroary 2022

Mitàna ny Teniny ny Tompo Ny tantaran’i Balama sy Balaka mpanjaka no ao amin’ny Nomery…

Nahoana no tsy mahita ny haben’ny fa...

Zoma, 18 Febroary 2022

Mampianatra antsika ity perikopa ity fa : 1-Masi-mandidy Andriamanitra (and14-18) « Koa izay tiany hamindrana fo…