Manaiky ve ianao fa tena manana hery sy fahefana ny Tompo ary omeny ny olona izany ?

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Septambra 2021

ASAN'NY APOSTOLY 8.4-17

ASAN'NY APOSTOLY 8.4-17
4 Ary izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny. 5 Ary Filipo nidina tany an-tanàna any Samaria ka nitory an'i Kristy tamin'ny olona tao. 6 Ary ny vahoaka betsaka dia niray hevitra nihaino izay nolazain'i Filipo, raha nandre azy sy nahita ny fahagagana nataony. 7 Fa ny fanahy maloto niantso tamin'ny feo mahery, dia nivoaka tamin'ny maro izay nanana azy; ary maro ny mararin'ny paralysisa sy ny mandringa no nositraniny. 8 Dia nisy fifaliana lehibe tao amin'izany tanàna izany. 9 Ary nisy lehilahy anankiray rahateo teo an-tanàna, atao hoe Simona, izay nanao ody ka nahatalanjona ny olona tany Samaria sady nandoka tena nanao azy ho zavatra; 10 ary nihaino azy ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, ka nanao hoe: Ity lehilahy ity no herin'Andriamanitra, izay atao hoe hery lehibe. 11 Ary nihaino azy ny olona, satria efa ela no talanjona tamin'ny odiny. 12 Ary rehefa nino an'i Filipo nitory ny teny soa mahafaly ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy ireo, dia natao batisa avokoa na lahy na vavy. 13 Ary Simona koa mba nino; ary rehefa natao batisa izy, dia nanaraka an'i Filipo. Ary talanjona izy, raha nahita ny famantarana sy ny asa lehibe izay natao. 14 Ary nony ren'ny Apostoly tany Jerosalema fa Samaria efa nandray ny tenin'Andriamanitra, dia naniraka an'i Petera sy Jaona izy hankany aminy. 15 Nony tafidina tany izy roa lahy, dia nivavaka ho an'ny olona mba handraisany ny Fanahy Masina. 16 Fa tsy mbola nisy nilatsahany izy na dia iray akory aza; fa natao batisa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo ihany izy. 17 Ary izy roa lahy nametra-tanana taminy, ka dia nandray ny Fanahy Masina ireo.

Manaiky ve ianao fa tena manana hery sy fahefana ny Tompo ary omeny ny olona izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny batisa dia

Alarobia, 1 Septambra 2021

Amin’ny FJKM dia tsy ny habetsaky ny rano no zava-dehibe fa ny fisiany . Aina…

Mpiandry ondry manao ahoana no tadia...

Asabotsy, 21 Aogositra 2021

Misy iraka ampanaovina ny loholona izay hiantefan’ny teny eto: « andraso ny ondrin’Andriamanitra ». Raha ny fahazaran’ny…

Miorena amin’ny asa tsara

Alakamisy, 12 Aogositra 2021

Miorena amin’ny asa tsara 1-Maneke ho feno ny Fanahy Masina Izay ambaran’ny mpanoratra eto dia…