Maneho ny maha- mpiahy Azy ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 02 Mey 2021

DEOTERONOMIA 34.5-9

DEOTERONOMIA 34.5-9
5 Ary Mosesy, mpanompon'i Jehovah, dia maty teo amin'ny tany Moaba araka ny tenin'i Jehovah. 6 Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin'ny tany Moaba, tandrifin'i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany. 7 Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny. 8 Ary ny Zanak'Isiraely nisaona an'i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an'i Mosesy. 9 Ary Josoa, zanak'i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan'i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak'Isiraely ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.

Maneho ny maha- mpiahy Azy ny Tompo

1-Maty i Mosesy

Na dia nahavita be sy nahery teo amin’ny asany aza i Mosesy , dia voafetra ihany ny androm-piainany . Mialohan’ny nahafatesany dia naseho ho tazany ny tany izay nampanantenain’Andriamanitra ny Israely . Efa roapolo amby zato taona izy vao maty . Voalaza fa tsy nisy olona nahalala ny fasany . Tsy mora ho an’ny zanak’Israely izao fahalasanan’i Mosesy izao ary izany no nahatonga azy ireo hisaona nandritra ny telopolo andro (and 8). Ny fotoana isarahana amin’ny hava-tiana na olona akaiky manoloana ny fahafatesana dia anisany mangidy indrindra . Voafetra ny andom-piainan’ny olona na soa na ratsy ny vitany teto an-tany . Raha mbola velona isika dia ataovy tsara ny fanompoana an’Andriamanitra mba hahatsiarovan’ny taranaka anao rahatrizay . « Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany , fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay  » (1 Jao 2.17)

2-Mandimby azy i Josoa

Ny fanendren’ny Tompo an’i Josoa kosa dia mampiseho fa Andriamanitra no mpiahy ny Israely . Mitana ny teny nampanantenainy Izy . Ny olona tendreny dia mpitarika ihany , fa Izy no hampiditra ny olom-boafidiny any amin’ny tany Kanana. Mety handao ny olona , mety hisy fifindran-toerana ny mpitarika sy ny mpitondra fiangonana fa ny Tompo kosa dia mitoetra ho mpiahy ny Fiangonany . Jesoa dia efa nilaza hoe: « Tsy hamela anareo ho kamboty Aho , hankaty aminareo Aho  » (Jao 14.18) . Tokony eken’ny Fiangonana ny fandaminana mikasika ny fifandimbiasan’ny mpitondra satria tsy ny olona mpitarika akory no ivavahana fa ny Tompo . Ny fanekena izany dia mariky ny fanekena ny fitarihan’ Andriamanitra ny Fiangonana.

Fanontaniana :

Nahoana no vitsy ny mpiangona rehefa tsy eo ny Mpitandrina ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mba mitoetra maharitra amin’ny fitia...

Alarobia, 28 Aprily 2021

Mba hiorenana amin’ny fanavotan’i Kristy sy hahazoana miaro ny finoana masina dia tsara ny :…

Jehovah manorina indray

Alakamisy, 15 Aprily 2021

Jehovah manorina indray 1-Manorina izay efa rava Avahan’Andriamanitra ny olony ary hanehoany ny heriny sy…

Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mi...

Alakamisy, 25 Martsa 2021

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy…