Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 01 Mey 2021

MPITSARA 3.9-11

MPITSARA 3.9-11
9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba. 10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima. 11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.

Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina

Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ny Israely (and7) . Vokatr’ izany dia Andriamanitra mihitsy no nanolotra azy ireo ho eo an-tànan’ny mpanjakan’i Mesopotamia.

1-Tia antsika ny Tompo na dia manafay aza

Mafy ny fampahoriana nihatra tamin’ny Zanak’Israely , vokatry ny fahotany ka nahatonga azy ireo hibebaka sy hitaraina tamin’i Jehovah . Ny famaizana sy ny kapoka nataon’Andriamanitra no nampiverina ny Israely ka nahatonga azy hitaraina Aminy . Tia antsika Andriamanitra , kanefa raha minia miala amin’ny didiny isika dia tsy maintsy mihatra amintsika ny kapoka sy ny famaizana . Ny fijaliana sy ny fahoriana mihatra amintsika , na amin’ny firenentsika dia tokony hitarika antsika hitaraina amin’Andriamanitra mba hanasitranany antsika .

2-Mamonjy sy manafaka amin’ny fahoriana Izy

Mahita ny fahoriana manjo antsika ny Tompo , sady mihaino ny fitarainan’izay rehetra miantso Azy . Ho valin’ny fitarainan’izay rehetra miantso Azy . Ho valin’ny fitarainan’Israely dia nanangana an’i Otniela ho mpamonjy azy ny Tompo . Ny fahotana no efitra nampisaraka antsika amin’Andriamanitra , ka miteraka fahoriana maro. Andriamanitra dia naniraka ny zanany lahitokana , dia i Jesoa Kristy mba hamonjy antsika . Ny fiverenana amin’Andriamanitra ihany no mahavonjy . Fa hoy ny voasoratra : « Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny Anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony , dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny «  (2Tant 7.14)

Fanontaniana :

Nahoana no miandry kapoka ny olona vao mahatsiaro hibebaka ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mba mitoetra maharitra amin’ny fitia...

Alarobia, 28 Aprily 2021

Mba hiorenana amin’ny fanavotan’i Kristy sy hahazoana miaro ny finoana masina dia tsara ny :…

Jehovah manorina indray

Alakamisy, 15 Aprily 2021

Jehovah manorina indray 1-Manorina izay efa rava Avahan’Andriamanitra ny olony ary hanehoany ny heriny sy…

Ahoana ny fahazoanao izany hoe  » mi...

Alakamisy, 25 Martsa 2021

Ity salamo ity dia milaza ny « sisa » nefa mbola ampahoriana hatrany satria ny ratsy fanahy…