Jesoa Kristy no fanehoan’Andriamanitra ny tenany

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Janoary 2021

JAONA 1.1-5

JAONA 1.1-5
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy]

Jesoa Kristy no fanehoan’Andriamanitra ny tenany

1-Izy dia mpahary hatramin’ny voalohany (and1-3)

Raha iverenantsika vakiana ny Genesisy toko voalohany , ka ampifandraisina amin’izay hitantsika eto dia hiharihary amintsika fa efa tao amin’Andriamanitra hatramin’ny voalohany ny Teny , izay tsy iza fa JESOA KRISTY. Izy io Teny io , teny tonga nofo . « Izy no nahariana ny zavatra rehetra , ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao , na dia iray aza  » (and3) . Araka izay ,dia tsy teny foana na teny mandalo fotsiny ny Tenin’ Andriamanitra fa teny miasa ,teny mamorona . Izaoo tontolo izao no nisy dia satria noharian’Andriamanitra . Teo amin’ny Grika , ny teny hoe: « teny » dia enti-manambara foto-kevitra ara-tsaina izay mandamina sy mampifanaraka ny zava-boahary rehetra . Fa ny « teny » izay ambaran’i Jaona eto kosa dia ilazana an’i JJESOA MPAMONJY hita maso ,sady niseho mihitsy teo amin’ny tantaran’ny olombelona sady niara- nonina taminy .

2-Izy no nisiam-piainana (and 4,5)

Ny fiainana ambaran’i Jaona eto dia izay tombotsoa rehetra raisin’ny mino amin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Ny lehibe indrindra amin’izany dia ny fiainana mandrakizay . Izy irery no hany làlana mazava miondra antsika ho amin’ny tena fiainana . « Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana . Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalany  » (jao 14.6) . Tsy naharesy na nahasakana na nahatelina Azy ny aizina izay aloky ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita . Izy no Ilay mazava mamirapiratra ao amin’ny maizina (and5). Na dia mbola anjakan’ny aizim-pahotana aza izao tontolo izao dia efa mamirapiratra kosa ny Mazava ka mahavonjy izay mitady Azy .

Fanontaniana:

Inona no ifandraisan’ireto « mazava » « marina » fiainana » ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny...

Zoma, 1 Janoary 2021

Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo Ireto manaraka ireto no manambara amintsika ny momba…

Andriamanitra miaro ny Tompo

Zoma, 27 Novambra 2020

Andriamanitra miaro ny Tompo Ny  Salamo  dia anisan’ny asa soratra  maneho ny  fifandraisana feno  amin’Andriamanitra .…

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy

Zoma, 20 Novambra 2020

Ny maha- Izy Azy an’i Jesoa Kristy Raha mamarana ny Epistily nosoratany i Joda dia…