Ny olona miandrandra famonjena

Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Novambra 2020

GENESISY 32.4-13

GENESISY 32.4-13
4 [Ny nihaonan'i Jakoba sy Esao] Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma. 5 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny; 6 ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao. 7 Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy. 8 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva; 9 fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray. 10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho; 11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho. 12 O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy. 13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.

Ny olona miandrandra famonjena

Vakio aloha Gen 25..32-32) . Jakoba nandositra an’iEsao .

1-Mahay manetry tena

Tahotra an’i Esao no tao anatin’i Jakoba eto (and8) . Rehefa voalaminy sy voatsinjarany ny olony , dia niantso an’Andriamanitra izy . Hita taratra ao amin’izao vavaka nataony izao ny tao am-pony . Na dia teo aza ny Teny fampanantenana nataon’ Andriamanitra taminy dia nahatsiaro ho tsinotsinona sy tsy mendrika ny famindrampon’ Andriamanitra izy (and11) . Mahagaga loatra izany raha mitaha amin’ny vavaka ataon’ny sasany ankehitriny . Misy mantsy mihevitra fa tena mendrika sy tokony ho azony mihitsy izay angatahiny . Hany ka maro no manery an’ Andriamanitra mba hanome izay tiany hangatahina . Tsarovy Jesoa araka ny Lioka 22.42.

2-Mifikitra amin’ny Tenin’ny Tompo

Zavatra roa loha no eo anatrehan’i Jakoba . Etsy andaniny , ny fahatahorany an’i Esao mitondra efajato lahy . Etsy ankilany , ny fahatsiarovany ny Tenin’ Andriamanitra fa hanisy soa azy ary hahamaro ny taranany . Noho ny fahatsiarovany izany fampanantenana nataon’Andriamanitra taminy izany , dia sahy niantso an’Andriamanitra izy . Tsy ny fahamendrehany na ny tsy fahamarinany no nifikirany fa ny Teny efa nataon’ Andriamanitra taminy . Matetika dia hadinon’ny olona ny Tenin’ Andriamanitra sy ny fampanantenana nataony , raha vao eo anoloan’ny zava-tsarotra izy . Ampianarin’ Andriamanitra isika ankehitriny hahatsiaro ny Teniny (vakio Mat 28.20).

Fanontaniana :

Ahoana ny fahatokianao ny Tompo rehefa mivavaka ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Finoana manao ahoana re no azonao  h...

Zoma, 23 Oktobra 2020

Mifampitohy  amin’ny fitantarana ny niakaran’I Jesoa tao Jerosalema  ity  perikopa anio  ity . Ny  vahoaka…

Ny olona mandroso amin’ny finoana

Zoma, 9 Oktobra 2020

Ny olona mandroso amin’ny finoana 1-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina « …ka mivavaha amin’ny Fanahy Masina » (and20d)Niely…

Mpitory Filazantsara ianao, inona ny...

Asabotsy, 19 Septambra 2020

1-Barnabasy nampifandray ny Apostoly tamin’i Saoly (and 26-30) Mety ho làlana efa nolalovanao koa izao…