Aza taitra amin’ny fanenjehana

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Oktobra 2020

2 TIMOTY 3.10-12

2 TIMOTY 3.10-12
10 [Famporisihana an'i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11 ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin'izany rehetra izany. 12 Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.

Aza taitra amin’ny fanenjehana

1-Rehefa mandeha amin’ny làlana marina (and10)

Lazain’i Paoly eto fa efa nandray tsara ny fampianarany ary nanara-dia azy amin’ny fitondrantena sy ny asa masina niantsoana azy koa i Timoty .Azo ambara araka izany fa mandeha amin’ny làlana tsara izy , ary io làlana io anefa dia làlana tsy maintsy hahitana fanenjehana araka ny ampiomanan’i Paoly an’i Timoty . Fanampin’izany rahateo ny fiharatsian’ny olona ( and1-9). Ianao koa , raha mandeha amin’ny làlana marina , aza taitra fa ho enjehina , nefa sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana , hoy i Jesoa .

2-Fa mamonjy amin’izany ny Tompo (and 11)

Na dia mampiomana an’i Timoty ny amin’izay tsy maintsy hisian’ny fanenjehana aza i Paoly eto , dia mampahery azy koa raha mizara aminy ny traikefany niaraka tamin’i Jesoa , ka milaza hoe : « ny Tompo nahafaka ahy tamin’ izany rehetra izany « . Asehony tsara fa tsy avelan’i Jesoa hiaritra irery ny fanenjehana akory ny mpanompony fa eo Izy , manafaka azy Izy . Ianao koa , mahereza ary matokia fa manafaka ny Tompo .

3-Fa ivelomy ny fahamasinana (and12)

Tohin’ny fampiomanana sy fampaherezana ataon’i Paoly dia fampirisihana kosa no hamaranany azy mba hiveloman’i Timoty amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra hatrany . Ny hevitr’ izany dia hoe : miaina amin’ny fahamasinana , mivelona amin’ny fahatahorana an’ Andriamanitra , mitoetra amin’ny finoana ao amin’i Jesoa Kristy hatrany , mitana ny fampianarana marina araka ny Soratra Masina . Ianao koa , aoka hiaina amin’ny fahamasinana .

Fanontaniana :

Inona no tokony hatao raha hiharan’ny fanenjehana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Finoana manao ahoana re no azonao  h...

Zoma, 23 Oktobra 2020

Mifampitohy  amin’ny fitantarana ny niakaran’I Jesoa tao Jerosalema  ity  perikopa anio  ity . Ny  vahoaka…

Ny olona mandroso amin’ny finoana

Zoma, 9 Oktobra 2020

Ny olona mandroso amin’ny finoana 1-Mivavaka amin’ny Fanahy Masina « …ka mivavaha amin’ny Fanahy Masina » (and20d)Niely…

Mpitory Filazantsara ianao, inona ny...

Asabotsy, 19 Septambra 2020

1-Barnabasy nampifandray ny Apostoly tamin’i Saoly (and 26-30) Mety ho làlana efa nolalovanao koa izao…