Vonona ve ianao hiatrika ny Tompo rehefa tonga indray Izy araka ny teniny ?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Septambra 2020

MARKA 6.45-52

MARKA 6.45-52
45 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka. 46 Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka. 47 Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety. 48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy. 49 Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo. 50 Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra. 51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo. 52 Ary tsy fantany ny amin'ny mofo; fa efa mafy ny fony.

Vonona ve ianao hiatrika ny Tompo rehefa tonga indray Izy araka ny teniny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

« ny voninahitr’ ity trano ity any a...

Alahady, 6 Septambra 2020

Noho ny zava-misy mampalahelo voalaza eo amin’ny and 3 izay milaza ny faharavan’ny tempoly satri…

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny ...

Zoma, 7 Aogositra 2020

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra …