Fantatro izay inoako !

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Aogositra 2020

Lioka 9:18-22

Lioka 9:18-22
18 Ary raha nivavaka tao amin'ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa Aho? 19 Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin'ny mpaminany fahiny no efa nitsangana. 20 Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin'Andriamanitra. 21 Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin'olona 22 ka nanao hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mbamin'ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana.

Fantatro izay inoako !

1 – Izy no kristin’Andriamanitra

Rehefa avy nanatanteraka ny fitokanam-bavaka mangingina i Jesoa dia nametraka fanontaniana tamin’ny mpianany nanao hoe : “Ataon’ny olona ho iza moa Aho ?” Samy nanana ny valin-teniny ny mpianatra, saingy ny an’i Petera dia sady mazava tsara no mivantana. “Ianao no kristin’Andriamanitra”. Fantany fa Jesoa no Kristy. Izy no Mesia efa nambara hatrany amin’ny Testamenta Taloha. Izy Ilay voahosotra, mpanafaka, mpanavotra, mpamonjy. Maro ireo sehatra nanehoan’ny Tompo ny maha Mesia Azy, toy ny fandehanany teny ambony rano, ireo asa fanasitranana sy asa mahagaga samihafa, ny fananganana ny maty, sy ireo tsy voatanisa. Efa nekeko teo anatrehan’ny Fiangonana fa Jesoa no Tompo sy mpamonjy ahy, voavela ny heloko ary azoko ny famonena. Ary ianao ?

2 – Izy ilay mpandresy

Fantatr’i Jesoa fa handalo ady Izy : ny zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona… Sady hovonoiny ; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana. Na dia nisedra zava-tsarotra aza Izy dia natrehany am-pahatoniana izany, ary nandresy Izy. Mpandresy ny Tompontsika. Handresy toa Azy isika.

Fanontaniana :

Tsy nisalasala nijoro ho vavolombelon’ny Tompontsika i Petera. Ary ianao mba ahoana ?


Mofon'aina teo aloha

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny ...

Zoma, 7 Aogositra 2020

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra …

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY...

Asabotsy, 1 Aogositra 2020

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY  MINO  1-Mibaiko ny  olony  ny Tompo Ny  tantaran’i Jesoa  fony  Izy…