Mahatoky hatramin’ny fahafatesana

Mofonaina anio: Zoma, faha 14 Aogositra 2020

LIOKA 11.47-51

LIOKA 11.47-51
47 Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan'ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy. 48 Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan'ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany. 49 Koa izany no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny, 50 mba hadinina amin'ity taranaka ity ny ran'ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao, 51 dia hatramin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ran'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin'ity taranaka ity izany.

Mahatoky hatramin’ny fahafatesana

1- Tsy manao ny fanaon’ny mpiampanga an’i Jesoa

Iza moa no ambarana amin’izany ? Miantefa amin’ireo mpitondra fivavahana sy mpampianatra izany teny izany . Nikendry mandrakariva ny hanoherana ny fampianarana marina izy ireo , sady nihatsaravelatsihy koa . Loza tokoa satria ny teniny tsy mifanaraka amin’ny ataony . Fiampangana ny marina no asetriny satria tsy te-ho ratsy . Nanampy trotraka izany ny fahadisoankevitra teo amin’ny fahazoana ny Soratra Masina . Tranga mety hiseho koa izany ao amin’ny Fiangonana . Aza ampangaina i Jesoa . Mijoroa ho mahatoky ! Aza miova !

2-Manaiky ho irahina

Zava-dehibe eo amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa ny fahaizana manaiky ho irahina . Tsy mora anefa ny asa , fa izay voalaza eto dia hiafara amin’ny famonoana sy ny fanenjehana (and49) . Làlana tsy maintsy izoran’izay irahina ho vavolombelon’ny Tompo izany , hanehoana fa mahatoky amin’ny iraka atao , eny na dia hiafara aminn’y fahafatesana aza (toy ireo marotiora maty noho ny amin’i Kristy ). Koa ianao izay manaiky ho irahina , mahereza , aza mivadika na mivily làlana fa momba anao Izy ary hamaly amin’ny eo mafy hoe : « Inty aho , iraho aho » (Isa 6.8);

Fanontaniana :

Nanaraka ny Tenin’ny Tompo ve ianao tamin’ny iraka nampanaovina anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Alarobia, 12 Aogositra 2020

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana 1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny …

Ahoana no ilazana hoe :  mahasoa ny ...

Zoma, 7 Aogositra 2020

 1-Mahatsara  ny  fitandremana ny Tenin’Andriamanitra Noheverina  ho  zava-dehibe ny  maha- Jiosy  , satria  maha- olon’Andriamanitra …

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY...

Asabotsy, 1 Aogositra 2020

MAHATOKY HATRAMIN’ny FAHAFATESANA NY  MINO  1-Mibaiko ny  olony  ny Tompo Ny  tantaran’i Jesoa  fony  Izy…