Mihavana amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Jona 2020

OHABOLANA 25 . 21-22

OHABOLANA 25 . 21-22
1 [Ohabolana samy hafa ny amin'ny fitondran-tena sy ny toetry ny olona marina] Izao koa no ohabolan'i Solomona, izay nangonin*'ny olon'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda:[Heb. nafindran']

Mihavana amin’ny Tompo

Raha  ny lohahevitra ity no jerena dia toa zava-mora , sy mahafinaritra no ao  anatiny , kanefa raha ity  perikopa eto  ity no jerena dia misy  zava-tsarotra amin’ny olona ao anatiny ao .

1-Ianao  manoloana ny fahavalo

Raha noana  ny fahavalonao  dia omeo hanina izy , raha mangetaheta izy , omeo hosotroiny .Inona moa izany fa tsy hoe: fikarakarana sy famelomana ny  fahavalo ? Zava-tsarotra izany ao amin’ny fiaraha-monin’olombelona , fa  raha ao amin’ny fiaraha-monin’ Andriamanitra  dia azo  tanterahina  tsara . Fa raha nanota isika dia efa fahavalon’ Andriamanitra , saingy  tsy novonoiny fa namindrany fo (Matio 5.44)

2-Andriamanitra manoloana anao

Ny fahavalo , hoy ny Tompo  dia hahamay ny lohany raha ataonao  ny fikarakarana azy . Fa izay lehibe kosa dia ny fankasitrahan’ Andriamanitra  ny olona mitia ny fahavalony . “Ary Jehovah hamaly soa anao “ hoy ny voasoratra eto . Matetika ilay heverina ho fatiantoka amin’ny fikarakarana ny fahavalo  no ao anatintsika mandrakariva , fa tsy ilay  valisoa omen’ny Tompo . Omeny valisoa isika satria maneho ny tena toetrany .

Fanontaniana :

Vonona hikarakara ny fahavalonao  ve ianao raha tojo fahasahiranana izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Inona no efa nataonao  hanatsaranao ...

Alarobia, 17 Jona 2020

MIHAVANA  AO  AMIN’NY  TOMPO Mampiavaka ity toko faha-19 ity ilay Teny mialoha eo amin’ny and…

Ny Fanahy Masina

Asabotsy, 30 Mey 2020

Ny Fanahy Masina Toe-javatra nitranga tamin’ny andron’ny Pentekosta , izay nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny teny…

Ny Fanahy Masina  sy ny asam-pamonje...

Alarobia, 27 Mey 2020

Ny Fanahy Masina  sy ny asam-pamonjena “Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra  kosa no amoahako  ny  demonia,…