Ilay Andriamanitra Tompon’ny hery rehetra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 23 Mey 2020

SALAMO 47.1-9

SALAMO 47.1-9
1 [Fihobiana noho ny niakaran'ny Tompo] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra. 2 Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy. 3 Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika. 4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. 5 Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara. 6 Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà. 7 Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo. 8 Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina. 9 Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy.

Ilay Andriamanitra Tompon’ny hery rehetra

Tarihina hidera an’ Andriamanitra ny olona noho ny asa lehibe efa notanterahiny izay hita sy tsapan’ny olona.

1-Andriamanitra mpandresy

Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra Andriamanitra . Anjaran’ny olona mahatsapa izany, ny manaja , ny manome voninahitra Azy . Ny fahalehibiazan’Andriamanitra dia niseho indrindra tamin’ny fandreseny ireo firenena izay fahavalon’ny vahoaka voafidiny , sy ny fanomezany ny tany Kanana ho lovan’izy ireo . Nasehon’Andriamanitra tao amin’i Jesoa Kristy ihany koa izany maha- mpandresy Azy izany , satria i Jesoa Kristy no nandresy ny herin’i satana ka manome izay mino Azy ny fiainana mandrakizay .Raiso ho fandresena ho anao ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana .

2-Andriamanitra Mpanjaka

Taomina hankalaza an’Andriamanitra Mpanjaka ny olona rehetra. Ilay Mpanjaka niakatra tamin’ny fihobiana , niakatra amim-boninahitra ho eo amin’ny fanjakany hanapaka izao tontolo izao amin’ny heriny manontolo. Anjaran’ny mino Azy ny mandray Azy amin’ny voninahitra ka hanaiky ny fahefany , hanaiky ho tena olona hitoetra eo ambany fanapahany , hanaraka ny sitrapony .Tsarovy fa manerana izao tontolo izao ny fanjakan’ Andriamanitra . manapaka ny olona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Izy .Raha manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina isika ka miaina sy mankato ny teniny izay nomena sy nampianarina antsika dia tena vahoakany tokoa.

Fanontaniana:

Mitondra inona ho amin’ny fiainanao ny fahafantaranao fa Tompon’ny hery sy ny fahefana rehetra Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Jesoa Kristy Mpamonjy

Alahady, 26 Aprily 2020

Jesoa Kristy Mpamonjy 1-Mahay mamelona ny efa maty « Ho velona indray ny olona izay efa…

Vavolombelon ‘ny  fitsanganan’ny Tom...

Alahady, 12 Aprily 2020

PASKA Vavolombelon ‘ny  fitsanganan’ny Tompo 1-Manambara na tsisy mihaino  aza(and1 9-13) Vavolombelona nanatri-maso i Maria Magdalena…

Alatsinainy 30 Martsa 2020

Alatsinainy, 30 Martsa 2020

1-Ho an’ny rehetra ny fiverenana amin’ Andriamanitra Misy  faniriana avy  amin’ny firenena hafa eto mba…