Vavolombelon’ny fahaveloman’nyTompo ianao anio , ahoana no hanehoanao izany eo aminn’y fiainanao?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Aprily 2020

DEOTERONOMIA 11.2-7

DEOTERONOMIA 11.2-7
2 Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin'ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan'i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra 3 sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, sy ny taniny rehetra, 4 sy izay nataony tamin'ny miaramilan'ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin'ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan'i Jehovah mandraka androany, 5 ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity tany ity, 6 ary izay nataony tamin'i Datana sy Abìrama, zanak'i Eliaba, zanak'i Robena, teo amin'ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan'ny tany sy nitelemany azy mbamin'ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan'aina izay nomba azy; 7 fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon'i Jehovah.

Vavolombelon’ny fahaveloman’nyTompo ianao anio , ahoana no hanehoanao izany eo aminn’y fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Alatsinainy 30 Martsa 2020

Alatsinainy, 30 Martsa 2020

1-Ho an’ny rehetra ny fiverenana amin’ Andriamanitra Misy  faniriana avy  amin’ny firenena hafa eto mba…

Vonona mandray ny olona  miverina Am...

Alarobia, 25 Martsa 2020

1-Ratsy ny miala ao an-tranon-dray Araho tsara  ny fizotran’ny fiainan’ity tovolahy  ity (and11-16) . Tao…

Mbola mandray izay olona mibebaka Am...

Asabotsy, 21 Martsa 2020

1-Manao tsinotsinona ny Tompo ny olona Teo amin’ny fitondran’ Andriamanitra ny olona dia fantatra fa…