Iza no tena mila miverina amin’ny Tompo ?

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Martsa 2020

SALAMO 85.1-13

SALAMO 85.1-13
1 [Fangatahana mba hampodin'Andriamanitra indray ny fankasitrahany ny olony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany. 2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. 3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra. 4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay. 5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao? 6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao? 7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao. 8 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika. 10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.

Iza no tena mila miverina amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Averina amin’Andriamanitra ny maro

Alahady, 15 Martsa 2020

Averina amin’Andriamanitra ny maro Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia boky mitantara ny fomba nitoriana ny…

Andriamanitra mahary fiainam-baovao

Asabotsy, 14 Martsa 2020

Anisan’ny teôlôjia matanjaka teo amin’ireo mpaminany tany am-pahababoana ny teôlôjian’ny fahariana indray, Tsy afa-misaraka amin’izay…

Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo r...

Talata, 10 Martsa 2020

Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo rehetra Ambaran’ny mpanoratra fa ela loatra ny fiaran’i Jehovah no…