Izay manana ny Tenin’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Febroary 2020

APOKALYPSY 22.6-9

APOKALYPSY 22.6-9
6 [Teny farany] Ary hoy izy tamiko: Mahatoky sady marina ireo teny ireo; ary ny Tompo, Andriamanitry ny fanahin'ny mpaminany, naniraka ny anjeliny haneho amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. 7 Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. 8 Ary izaho Jaona no nahare sy nahita ireo zavatra ireo. Ary rehefa nahare sy nahita aho, dia niankohoka hivavaka teo anoloan'ny tongotr'ilay anjely naneho ahy ireo zavatra ireo. 9 Dia hoy izy tamiko: Tandremo, aza manao izao; fa mpanompo namanao ihany aho sady naman'ny mpaminany rahalahinao sy izay mitandrina ny teny amin'ity boky ity; Andriamanitra ihany no ivavaho.

Izay manana ny Tenin’ny Tompo

1-Mampiomana ny hafa amin’ny fiverenany (and7)

Eto dia ampiomanina amin’ny fiavian’ny Tompo ny kristiana , ho fanehoana fa efa miandry fatratra izany izy ireo . Ho an’ny fiangonana tokoa mantsy dia efa akaiky hatrany izany satria efa iainana ankehitriny sahady ny ampahany amin’ny fanjakan’Andriamanitra , na dia tsy fantatra aza ny fotoana hiverenan’ny Tompo . Ny Fiangonana sy izay rehetra ao amin’i Kristy dia efa vahoakan’ny lanitra fa tsy an’ny tany intsony . Izany no hitaomana ny kristiana tsirairay haharitra hiaina ny sitrapon’ ‘Andriamanitra hatrany mandra-piavin’ny Tompo indray. Ary izay manao izany no antsoina hoe : »sambatra ».

2-Mitaona ny hafa hivavaka amin’Andriamanitra

« Andriamanitra ihany no ivavaho »(and9) . Ny anjely izay tsy hafa fa irak’ Andriamanitra nanambara ny teniny no niankohofan’i Jaona noho ny hasarobidin’ny fanambarany . Nananatra an’i Jaona ilay anjely hoe : « tandremo , aza manao izao ... »ka nampitodika azy tamin’ny fivavahana tamin’ Andriamanitra . Koa ny olona manana ny tenin’ny Tompo dia tsy faly amin’ny fiankohofan’ny olona aminy tsy akory fa mampitodika ny olona hivavaka amin’Andriamanitra satria mpanompon’Andriamanitra sy mpirahalahy avokoa izay rehetra mitandrina ny voarakitra ao amin’ny Soratra masina . Aoka samy hitaona ny mpino namany hanamafy orina hatrany ny finoana sy fankatoavana ny Tenin’i Kristy.

Fanontaniana:

Inona no ataonao ho fiomanana amin’ny fiavian’nyTompo,

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny tenin’ny Fahasoavana

Zoma, 14 Febroary 2020

Ny tenin’ny Fahasoavana Mananatra ny loholon’ny Fiangonana tao Efesosy i Paoly Apostoly .Handao izy ,…

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …