Ny maha-Izy Azy ny Teny

Mofonaina anio: Talata, faha 04 Febroary 2020

JAONA 1.1-8

JAONA 1.1-8
1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. 2 Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany. 3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza. 4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona. 5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy*. [*Na: Tsy mahasakana azy] 6 Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany. 7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny. 8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.

Ny maha-Izy Azy ny Teny

1-Maharitra mandrakizay

Mazava tsara ny fanambaram-pinoana « tamin’ny voalohany » na koa hoe : « tany am-piandohana  » .Aseho amin’izany fa ny Teny dia efa hatramin’ny ela , talohan’ny namoronan’ Andriamanitra izao tontolo izao dia efa nisy . Teny maharitra mandrakizay izany , teny tsy miova ka azo antoka.Toetra mampiavaka ny Tenin’ Andriamanitra izany : marina sy azo antoka izay ambarany noho izany minoa sy matokia dia handray ny fiainana avy Aminy ianao.

2-Manome fiainana

Mifamatotra tamin’ny naharian’Andriamanitra izao tontolo izao ny Teny . Teny mpahary ,teny manankery . Teny loharanom-piainana sy fototry ny fisian’ny zavatra rehetra.Rehefa mandray ny Tenin’ Andriamanitra ianao dia mitondra fiainana ho anao izany .Ao amin’i Jesoa Kristy , Ilay Teny tonga nofo ny fahavelomana ho antsika .

3-Mampita hafatra

Ny Tenin’ Andriamanitra no loharanon’ny fiainana sy mitondra fahazavana manafaka ny olona amin’ny aizina .Tsy ho fantatry ny olona anefa izany rehetra izany raha tsy teo i Jaona , Ilay vavolombelona manambara izany . Nampiasa , nanambara ny hampitana hafatra . Ny fanambarana an’i Jesoa Kristy , Ilay Teny tonga nofo no hahafahantsika mandray ny hafatra fa namonjy antsika noho ny fitiavany Andriamanitra.

Fanontaniana:

Fomba ahoana no entinao manambara fa marina sy azo antoka ny Tenin’ Andriamanitra?


Mofon'aina teo aloha

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alakamisy, 2 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO ASAN’NY  APOSTOLY 9.1-9 1-Jesoa Kristy miandany  amin’ny mpanompony Sarotiny  tamin’ny…