Jesoa mpanasitrana dia:

Mofonaina anio: Alahady, faha 26 Janoary 2020

MATIO 8.1-4

MATIO 8.1-4
1 Ary raha nidina avy teo an-tendrombohitra Izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy. 2 Ary, indro, nisy boka anankiray nanatona dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. 3 Ary Jesosy naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Dia nadio tamin'ny habokany niaraka tamin'izay izy. 4 Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin'olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian'i Mosesy ho vavolombelona amin'ireo.

Jesoa mpanasitrana dia:

1-Jesoa tsy miavona (and1)

« nidina avy any an-tendrombohitra  » i Jesoa . Io andian-teny io dia efa maneho sahady fa tsy mba manandran-tena na miziriziry amin’ny fahamboniana Izy na koa mialangalana ka tsy azo atonina, fa tonga kosa manetry tena ,tsy miavona am-po fa midina manatona ny vahoaka betsaka , mila vonjy sy mangetaheta Azy . Izany mihitsy i Jesoa, fa na dia ny lapan’ny voninahitra nonenany aza dia nilaozany fa nidina avy any Izy hamonjy ny mpanota , dia tao amin’ny faritany izay iva indrindra raha oharina amin’ny haavon’ny ranomasina no nahaterahany .

2-Jesoa tsy manavaka (and2)

Rehefa tafahaona tamin’ireo vahoaka betsaka ireo i Jesoa , dia indro ny lehilahy boka nanatona sy niankohoka teo anatrehany nangataka taminy ny mba hanadiovana azy.Setrin’izany , natsotran’i Jesoa avy hatrany ny tànany ary dia nadio ity boka ity. Azontsika tarafina amin’izany fa tsy manavaka na manilika i Jesoa , fa na dia izay efa nataon’ny fiaraha-monina anjorombala sady tsy manana hasina maha-olona aza dia nositraniny . Ny boka mantsy natao tsinotsinona tamin’izany fotoana izany , izay tsy sahin’ny olona ifaneraserana dia nokasihan’i Jesoa kosa ka nodioviny .Na iza na iza ianao manatona an’i Jesoa , fa izay manatona Ahy , hoy izy tsy mba holaviko mihitsy .

Fanontaniana:

Inona no mbola mampisalasala na manakana anao tsy hanatona an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Zoma, 10 Janoary 2020

ASAN’NY APOSTOLY 12.1-10 Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo 1-Amin’ny alalan’ny vavaka Mafy ny fanenjehana nohatra…

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alatsinainy, 6 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO JONA  2.1-11 1-Ho famerenana  ny  mpanompo mivily làlana Voatery  natsipy …

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO

Alakamisy, 2 Janoary 2020

MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO ASAN’NY  APOSTOLY 9.1-9 1-Jesoa Kristy miandany  amin’ny mpanompony Sarotiny  tamin’ny…