Romana 3.19-31

Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Jolay 2019

Fandalinana ny Boky ROMANA

Romana 3.19-31
19 Ary fantatsika fa izay zavatra lazain'ny lalĂ na dia lazainy amin'izay manana ny lalĂ na, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan'ny fitsaran'Andriamanitra izao tontolo izao, 20 satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalĂ na eo anatrehany; fa ny lalĂ na no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota. 21 [Ny fanamarinan'Andriamanitra maimaimpoana ny mino an'i Kristy] Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalĂ na anefa, fa ambaran'ny lalĂ na sy ny mpaminany, 22 dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy* ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa, [* Ampio hoe: (ho an'ny olona rehetra sy)] 23 fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, 24 nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 25 Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny rĂ ny ho fanavotana* amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, [* Na: fanatitra fampiononam-pahatezerana] 26 mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hanamarina izay manana finoana an'i Jesosy. 27 Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin'ny lalĂ na manao ahoana? amin'ny lalĂ n'ny asa va? Tsia; fa amin'ny lalĂ n'ny finoana. 28 Koa amin'izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona, fa tsy ny asan'ny lalĂ na. 29 Andriamanitry ny Jiosy ihany va Izy? fa tsy mba an'ny jentilisa koa? Eny, an'ny jentilisa koa; 30 fa iray ihany Andriamanitra, Izay hanamarina ny voafora noho ny finoana, ary ny tsy voafora amin'ny finoana. 31 Koa mahafoana ny lalĂ na amin'ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalĂ na isika.

Romana 3.19-31

Aseho amintsika eto ny fifandraisan’ny lalĂ na sy ny famonjena na ny fanamarinana.

1-Tsy nataon’ Andriamanitra hahazoana famonjena ny fitandremana ny lalĂ na (and19-20)

Tsy fitaovana entin’ Andriamanitra hitsara antsika ny lalĂ na , fa fitaovana natao handrefesantsika ny maha- mpanota antsika. Mazava ny voalazany ao amin’ny and 20 DIEM « Koa tsy misy olombelona ho eken’ Andriamanitra ho marina , noho izy manatanteraka ny lalĂ na , fa ny lalĂ na dia miasa hahafantaran’ny olombelona mazava hoe: nanota izy » .

2-Ny fomba hanamarinan’ Andriamanitra antsika (and21-31)

Telo ny zavatra hanamarinan’ Andriamanitra ny olna na hamonjeny azy

-Ny fiaikeny ny maha-mpanota no hahazoana fanamarinana (and 23)

-Ny nataon’i Jesoa Kristy no nahazoantsika fanamarinana (and21-26) »fa ny finoana niainan’i Jesoa Kristy no haneken’ Andriamanitra ny olombelona ho marina » (and22 ) DIEM

-Ny finoantsika an’i Jesoa Kristy no hanamarinan’ny Tompo antsika (and27-31). Tsy ny olona mitandrina ny lalĂ na no mahazo fanamarinana fa izay manana finoana (and28) .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8