Fandalinana ny Boky ROMANA
Mofonaina anio: Alarobia, faha 10 Jolay 2019
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 2.17-29
17 Fa raha saingy atao hoe Jiosy ianao ka mitoky amin'ny lalà na sy manao an'Andriamanitra ho reharehanao 18 ary mahalala ny sitrapony sady mamantatra ny zavatra tsara indrindra*, satria efa nampianarina ny lalà na ianao [* Na: samy hafa] 19 ary matoky ny tenanao ho mpitarika ny jamba, fanazavana ny ao amin'ny maizina, 20 mpananatra ny adala, mpampianatra ny bodo, satria ianao manana ny lalà na ho mariky ny fahalalana sy ny fahamarinana: 21 ka moa ianao izay mampianatra ny sasany, tsy mba mampianatra ny tenanao koa va? Hianao izay mitory hoe: Aza mangalatra, mba mangalatra ihany va ianao? 22 Hianao izay manao hoe: Aza mijangajanga, mba mijangajanga ihany va ianao? Hianao izay mametaveta ny sampy, mba mandroba tempoly ihany va ianao? 23 Hianao izay manao ny lalà na ho reharehanao, mba manala voninahitra an'Andriamanitra ihany va ianao amin'ny andikanao ny lalà na? 24 Fa araka ny voasoratra, dia ianareo no itenenana ratsy* ny anaran'Andriamanitra any amin'ny jentilisa (Isa. 52. 5). [*Gr. anaovana blasfemia; izahao Mat. 9, 3] 25 Fa ny famorana mahasoa tokoa, raha mankatò ny lalà na ianao; fa raha mpandika ny lalà na kosa ianao, dia efa tonga toy ny tsy voafora, na dia efa voafora aza. 26 Ary raha mankatò ny fitsipiky ny lalà na ny tsy voafora, tsy hatao ho isan'ny voafora va izy, na dia tsy voafora aza? 27 Ary tsy hohelohin'ny tsy mifora izay mankatò ny lalà na va ianao, izay mpandika ny lalà na, na dia manana ny soratra sy ny famorana aza ianao? 28 Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; 29 fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra.Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 2.17-29
Ny fahotan’ny Jentilisa no noresahina tao amin’ny Rom 1.18-32 . Ny fahotan’ny Jiosy kosa no ambara eto .Ny tsy fahatanterahana ny lalĂ na no fototry ny fahotan’ny Jiosy , izay ampiarahiny amin’ireto zavatra roa ireto:
1-Mpitari-bato vilambava (and17-24)
Hafa ny zavatra ampianariny , hafa ny zavatra ataony . Ny zavatra andrarany olona ihany no ataony araka ny voalaza ao amin’ny and 21-23 . Eto indray ny zavatra ampianarina ny hafa , tsy tanterahina . Izany no atao hoe: »mpitari-bato vilambava, hafa ny tondroin’ny molotra , hafa ny ataon’ny tĂ nana »
2-Mitoky amin’ny fombafomba (and25-29)
Tsy ny lalĂ na ihany no nianteheran’ny Jiosy aminn’y hevitra diso , fa fombafomba toy ny famorana koa izy ireo . Tsy diso ho azy anefa ny fanatanterahana ny famorana , fa tsy maintsy ampiarahina aminn’y fanatanterahana ny lalĂ na araka ny voalalza ao amin’ny and 25 : « Fa ny famorana mahasoa tokoa , raha mankato ny lalĂ na kosa ianao , dia efa tonga toy ny tsy voafora , na dia efa voafora aza » . Mbola tsara lavitra ny olona voafora nefa tsy mankato ny lalĂ na aza ny olona tsy voafora nefa mankato ny fitsipiky ny lalĂ na(and26).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8