Tratry ny taona , mirary soa
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Janoary 2019
Lioka 2,10 - 10
10 Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra;Tratry ny taona , mirary soa
Araka ny fanao dia marobe ny hafatra ifampiarahabana hoe : « tratry ny taona » ifanaovanâny mpihavana , mpinamana, mpiara-miasa, mpiara-monina raha vao manomboka ny taona .An-tapitrisany ny hafatra ampitaina amin âny alalanâny finday ary misy foibe internet manolotra fomba firariantsoa hafakely mba hahazoanâny olona tsirairay mirary « zava-tsoa » ho anâny tapaka sy namana , ho amin âny fiainany ho avy, na dia mety tsy tena mino izany tanteraka akory aza izy .
Ny Baiboly kosa dia mitondra
hafatra manambara zavatra tsara sy azo antoka
ho anâireo rehetra manaiky handray izany :
- Ny vaovao mahafaly momba ny nahaterahanâny Mpamonjy
dia i Jesosy Kristy (Lioka 2.10). Andriamanitra dia tonga olona teo anivonâny
olombelona . Zava-dehibe fototra ho anâny fahasambarantsika izany tranga izany
.
- Ny vaovao mahafaly  milaza fihavanana (Rom 5.1, Efes 2.17) . Azo
antoka ny fihavanana aminâ
Andriamanitra ho anâizay mino ny asa nataonâi Jesoa Kristy izay maty teo aminâny hazo fijaliana mba ho famelana ny fahotanâny io olona mino
io . Amboninâizany ny fiadanana anaty dia mitoetra ao anatinâizay manankina ny
fiainany aminâny Mpamonjiny.
- Ny fanantenana tsara ( 2 Tes 2.16) , ho anâny
mpino tsirairay , dia ny fanomezan-toky momba ny any ankoatra feno voninahitra
, ao am-paradisanâ Andriamanitra miaraka aminâi Jesoa (Lioka 23.43).
- Mandraka ankehitriny    ny olona mitoky aminâ Andriamanitra dia toy ny hazo ambolena eo amoron-drano , tsy hitsahatra hamoa na dia mandalo toe-javatra sarotra aza (Jer 17.7-8). Ataonâ Andriamanitra hitondra soa ho azy ny zavatra rehetra (Sal 57.2). Noho izany dia afaka hiatrika am-pilaminana ny zava-tsy fantatra entinâny taona vaovao eo am-piandrasana anâi Jesoa izay mbola hiverina indray .
« Ilay voa tsara nafafy »