IREO  DIDY FOLOn’ny FAHOMBIAZANA 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 25 Oktobra 2018

IREO  DIDY FOLOn'ny FAHOMBIAZANA 

IREO  DIDY FOLOn’ny FAHOMBIAZANA 

-Nahomby ilay mpanompon’i Abrahama fa nahita vady ho an’i Isaka

-Nahomby i Rebeka satria ho tafita handeha hanambady

-Nahomby ilay vehivavy narary 12 taona satria nahita fahasitranana

-Natoron’i Petera ireo tanora nanoratany ao amin’ny Epistiliny ireo  fomba hahombiazany .

Inona no tokony hatao raha te- hahazo fahombiazana tena izy ?

1-Meteza ho olom-bavaka  (Gen 24.12-28)

Toy ilay mpanompon’i Abrahama : Nivavaka izy (and12) . Aza mieritrertra hiatrika irery ny fiainana . Olona noforonina hifandray amin’ Andriamanitra ianao . Toy ny trondro , tsy avy miaina ivelan’ny rano no tsy  maintsy ilainao ny fifandraisana amin’ Andriamanitra .Nanao ny anjarany izy (and17) ,tsy manala ny andraikitra akory ny vavaka.  Ny olona mivavaka dia tsy miasa kelikely kokoa akory, fa miasa tsaratsara kokoa satria hazavain’ny Fanahy Masina.

2-Mahaiza mandinika tsara  (Gen 24.21)

Toy ilay mpanompon’i Abrahama . Ny fahombiazana rehetra dia mitaky fahaiza-mandinika . Ampiasao  ny sainao fa tsy mifanohitra amin’ny asan’ny Fanahy Masina akory ny fandalinana sy ny fanadihadiana. Aza manao rapa-dango saingy hoe: »Tompo ô , omeo vola aho! ka nony nivoaka ny trano ianao dia nahita kitapo latsaka ,izay hitanao  ao anatiny, vola be tokoa, saingy hitanao ao koa ny karapanondron’ny tompony misy ny adiresiny  dia hihevitra ve ianao fa valimbavaka io? (mbola hitohy)

« Bokikelin’ny fahombiazana « IAA

 


Mofon'aina teo aloha

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

Alakamisy, 18 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin’i Josoa  JOSOA 21.43-45;22.1-8 1-Mahatoky tanteraka ny Tompo  Fehiteny maharavo ny  fo no…

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

Alarobia, 17 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin’i Josoa JOSOA 20.1-9;21.-40 1-Andriamanitra marina Andriamanitra Marina fa fahafatesana no  tambin’ny  ota…

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

Talata, 16 Oktobra 2018

Fandalinana ny Bokin’i Josoa JOSOA 18.1-27 / 19.1-51 1-Tantara lava. Namaky teny lava isika ,…