Hafatry ny Filoha/ Novambra 23

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Fa fahavaratra ny andro
Ary avy be ny orana
Izay mamonto indray ny tany,
Ary izany dia manjary
Lakolosy izay maneno
Hanaingana antsika handeha
Hamonto filazantsara
Ny Nosy Madagasikara!
Fa mangetaheta loatra
Ny mponina eto manontolo;
Mangetaheta filaminana
Tsy andriana andriran’antsy!
Mangetaheta vidim-piainana
Tsy misondrotra isan’andro!
Mangetaheta fahamarinana
Tsy andairan-kolikoly !
Mangetaheta olo-be
Tsy manampa-pahefana!
Mangetaheta politika
Tsy ivarotan-tanindrazana!
Mangetaheta famonjena
Hitohizan’ny tantara
Hitehirizana ho tany
Kristianina eny hatrany
An’i Madagasikara,
Tsy sanatria hiova sata.
Satria tsy misy famonjena
Any ivelan’i JESOA !
Eny, matin-ketaheta
Ny mponina eto ka andeha:


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV