Hafatry ny Filoha/ Sept 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Andao ilofosy ny tafika masina,
Atao voly vary ifotorana tsara
Na be aza ny asa tsy maintsy vitaina
Ny tafika masina tohizana hatrany !
Andao ilofosy ny tafika masina
Ka tena anokanam-potoana tokoa
Hananana mpiofana matotra tsara
Ho tena mpiantafika vonona koa!
Andao ilofosy ny tafika masina,
tsy hatao ambinambin-draharaha velively,
fa hasian-tetibola voafaritra tsara
sy ampy hihetsehana hanaovana ny asa.
Andao ilofosana ny tafika masina,
ho asa mateza tsy vonjivonjena
Fiangonana hitombo no tanjon’izany
hitombo amin’isa sy fiainam-panahy !
Andao ilofosy ny tafika masina,
ka tsy hisy hahatsiaro ho tsy manana adidy
fa ny mpino rehetra no samy ho sahy
hanjary mpitory ny Tompo JESOA !
Andao ilofosy ny tafika masina,
Andao, mahereza! Andao, mirotsaha !


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV