Hafatry ny Filoha/ Sept 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Andao ilofosy ny tafika masina,
Atao voly vary ifotorana tsara
Na be aza ny asa tsy maintsy vitaina
Ny tafika masina tohizana hatrany !
Andao ilofosy ny tafika masina
Ka tena anokanam-potoana tokoa
Hananana mpiofana matotra tsara
Ho tena mpiantafika vonona koa!
Andao ilofosy ny tafika masina,
tsy hatao ambinambin-draharaha velively,
fa hasian-tetibola voafaritra tsara
sy ampy hihetsehana hanaovana ny asa.
Andao ilofosana ny tafika masina,
ho asa mateza tsy vonjivonjena
Fiangonana hitombo no tanjon’izany
hitombo amin’isa sy fiainam-panahy !
Andao ilofosy ny tafika masina,
ka tsy hisy hahatsiaro ho tsy manana adidy
fa ny mpino rehetra no samy ho sahy
hanjary mpitory ny Tompo JESOA !
Andao ilofosy ny tafika masina,
Andao, mahereza! Andao, mirotsaha !


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 11. Ala. III man. Paska - S. Lehilahy Kristiana
Zak. 4. 1-7 | Mar. 13. 9-11 | 1 Pet. 1. 10-12

| | 18. Ala. IV man. Paska - Mpiasa Foibe FJKM
2Sam. 23. 1-7 | Mat. 12. 22-30 | 1 Kor. 12. 1-11

| | 25. Ala. V man. Paska - Alahady FFPM
Mik. 3. 5-8 | Jao. 16. 12-15 | 2 Kor. 3. 12-18

Jona: AN'NY TOMPO NY FAHEFANA

| | 01. Ala. VI man. Paska
2 Tan.25. 1-12 | Mat.10. 26-31 | Jak.4. 11-17