SAFIF/FJKM Tsimafana

SAMPANA FIFOHAZANA FOIBE FJKM
Nitokana ny Fiangonana Tsimafana SP 36

FJKM TSIMAFANA


« Mifohaza tsara, miorena tsara, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo » (Ikor.
15 : 34a – 58)
Ny Sampana Fifohazana FJKM dia mandray anjara mavitrika amin’ny Ezaka Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara. Iray tamin’ireo Kaominina tsy mbola misy FJKM tamin’izany andro izany ny tao Tsimafana izay noraisin’ny Sampana Fifohazana FJKM an-tànana ny fanorenana ny Fiangonana. Isaorana ny ezaka nifarimbonan’ny rehetra ka nahatontosa antsakany sy andavany ny fananganana ny FJKM Tsimafana
miaraka amin’ny fanaka rehetra ao anatiny any amin’ny Synodamparitany Fahazavan’Atsimo Andrefana.
Notontosaina tamin’ny Talata 05 Aprily 2022 lasa teo ny fitokanana an’izany. Tonga nitarika an’izany fitokanana izany ny Filohan’ny FJKM, Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, sy Atoa ROBSON RADO Lalaina Johary, Mpitandrina, Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana. Teo ihany koa ny Filoha sy ny Birao ary ny Tonian’ny Sampana Fifohazana FJKM.

Isaorana manokana ihany koa ny Filoha sy ny Biraon’ny Synodamparitany Fahazavan’Atsimo Andrefana, ny Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM Belo sur Tsiribihina, ny Mpitandrina sy ny Fiangonana Mahagaga Morondava, ny Mpitandro filaminana izay niara-niombona sy nanolorana an’izany. Ankasitrahana ireo solontena marobe na ny tany an-toerana na ny avy lavitra tonga nanome voninahitra an’Andriamanitra tamin’izany fotoan-dehibe izany.


SOLI DEO GLORIA !
Ny SaFiF Foibe

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV