HAFATRY ny MF 01/SL XIX

« Miorena tsara, aza miova »

1 Kor 15.58b

Antananarivo 20 Oktobra 2021

CFD Ampandrana: 13 – 20 Oktobra 2021

Ry Havana Malala,

Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny Fitiavana! (Joda 1.2).

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto Antananarivo ny 13-20 Oktobra 2021 dia manao izao hafatra izao ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra:

Misaotra an’Andriamanitra isika fa vita tamin’izao fivorian’ny MF izao ny fanavaozana ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny Foibe FJKM (S.J, TDF, TDS, TDMV, FIFAMPI sy FIFAFI, Mpandini-bola).Voapetraka tamin’ny fomban’ny Fiangonana ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ireo Mpiandraikitra Foibe, ary ireo tomponandraikitra vaovao tamin’ny Alahady 17 Oktobra 2021 teo, tao amin’ny Coliseum Antsonjombe Antananarivo.

Misaotra ny Fiangonana rehetra tamin’ny ezaka fanefana adidy ary mampirisika ireo mbola tsy nahavita ny anjarany. Entanina hatrany isika  ho tia sy hanohana ny asa iombonana sy ny mpiasa iombonana. Koa asaina hiombona amin’ny Fanompoam-pivavahana amin’ny 16 Janoary 2022 ho fangataham-pitahiana ho an’ny taom-piasana 2022 isika rehetra.

Vina fototra tazonintsika ny hoe: “Mbola ho firenena Kristiana i Madagasikara amin’ny taona 2118” aryiainantsika ato anatin’ny efa-taona ny hoe : “VONTOSY FILAZANTSARA I MADAGASIKARA, FILAZANTSARA MANOVA NY TANTARA”. Mba hahatrarana ny vinantsika araka izay notapahin’ny SL XIX, raha sitrapon’ny Tompo ka velona isika, dia:

  • Mitaona antsika Kristiana FJKM rehetra hivavaka tsy mitsahatra.
  • Mitaona antsika isam-pitandremana hanangana avy hatrany ny “Vaomieran’ny Hazakazaka Masina” syny “Vaomieran’ny Fananana” eo amin’ny SP, Fiangonana Mpanampy I sy II, Fiangonana Manampy.
  • Manentana antsika hampiditra ny “Herinandron’ny Fianakaviana” ao anatin’ny tetikandron’ny Fiangonana.
  • Mampirisika ny Faripiadidiam-pampianarana sy ny Synodamparitany rehetra hanangana Sekoly iray isan-taona ato anatin’ny telo taona (2022-2025).
  • Ho famitana ny tsangam-baton’ny faha 200 taonan’ny Sekoly protestanta FJKM, dia hiara hientana isika ka ny mpianatra rehetra amin’ny sekoly FJKM dia samy handray anjara avokoa, ny Sekoly rehetra hanolotra 30 000Ar farafahakeliny ary handray anjara avokoa ny Fiangonana rehetra.
  • Misaotra ireo Fiangonana efa nandrotsaka ny KIS sy ny 2% amin’ny tetibolany ho fanohanana ny Sekoly FJKM ary mampirisika ireo tsy mbola nahavita izany mba hanefa ny anjarany hanohizana ny ezaka satria efa tsara ny vokapanadinam-panjakana azontsika tamin’ny taona 2021.
  • Ho fiarovana ny tontolo iainana dia manainga antsika hiroso amin’ny “Fiangonana Maitso” sy “Sekoly Maitso”, ka samy hamboly hazo na hanao zaridaina miainga eo amin’ny faritry ny Fiangonana hatramin’ny volana Aprily 2022.
  • Tapaka tamin’izao fivoriana izao fa ho tanterahina any Tolagnaro ny SL XX amin’ny taona 2025.
  • Manentana ny Kristiana mba hitandro mandrakariva ny fihavanana sy ny fifanampiana eo amin’ny fiaraha-monina ka tsy ho voazarazaran’ny hevitra tsy mitovy.
  • Manentana antsika mba hanohy hivavaka hatrany sy hifanome tanana ho an’ireo havantsika tratry ny kere any atsimo sy ireo rehetra mila vonjy eo amin’ny fiaraha-monina.
  • Miantso ny Kristiana rehetra mba hiorina tsara amin’ny finoana sy hijoro ho vavolombelona eo amin’ny fitandroana ny aina ka tsy hanaiky ny fanalan-jaza amin’ny endriny rehetra sy ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, hijoro amin’ny fahamarinana hanohitra ny kolikoly sy ny herisetra amin’ny endriny rehetra.

Mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’ny Tompo.

Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra” (1 Tes. 3. 12).

Amin’ny anaran’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe

Ny Filohan’ny FJKM

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV