Hafatry ny Filoha/ Martsa 2021

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia i JESOA no hahazo laka,

ny fitiavany no hanjaka

ka ireo olona mpiady

tsy nitsahatra nitady

ny hifanimbana hatrany,

hiova kosa fa ovàny

homeny fo mifankatia

vonona ny hiara-dia,

nanaiky ny fifamelana

ka tsy nisy ny nitana

lolom-po sy alahelo

izay nampody ho toy ny helo

ny fifandraisana hatrizay,

fa hiova kosa, hifandray,

tsy hihatsaravelatsihy

fa tonga teo i Kristy!

Fa ny filazantsaran’

Ny fihavanana no ambara

Hamafazana  ny voan’

Ny tena fiovana fo,

hananana ny fo madio

na toa inona tadion’

ny fifandirana niseho

ho voafafa toa tsy teo

satria nekena ny Fanahy

mba hiasa ka hamaha

ny fangejan’ny korontana

izay niteraka haromotana

ka hiroborobo kosa

ny fitiavana miavosa!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV