Hafatry ny MF 08/SL XVIII


Fivorian’ny Mpiandraikitra Foibe


FJKM Andrainarivo Fahasoavana (11-19 Novambra 2020)

Ry havana,

Ny Filoha sy ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto Antananarivo tao amin’ny FJKM ANdrainarivo Fahasoavana tamin’ny 11-19 Novambra 2020, mamangy ny vahoaka kristianina manerana ny sahan’ny FJKM: «Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo» (Fil. 3).
Miombom-po amam-panahy isika rehetra, misaotra Ilay Tompo Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao sady Tompon’ny tantara : Azy ny Fiangonana, ka hazoniny amin’ny Heriny sy ny Fitiavany.

  1. Tanteraka soa aman-tsara ny fivoriana, izay efa nihemotra hatrany noho ny valan’aretina «Corona Virus» niseho maneran-tany mihitsy : maniry fahasalamana hatrany ho an’ireo izay tsy salama, mampahery indrindra ireo mpiray tanindrazana namoy havana, mampahery hatramin’ireo very asa, sy ny vesatra tsy ary ho voatanisa. Hoy i Jesoa : «… aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao» (Jao 16.33b)
  2. Nankatoavin’ny Mpiandraikitra Foibe Ireo Prezida Synodaly sy ireo Tonia sy Talen’ny Sampana Sampanasa ary Asa (SSA); ary efa natolotra ara-pomba litorjika ny Alahady 15 Novambra 2020 tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana SP Antananarivo Atsinanana (SP 12)
  3. Ny famoahana sy fanirahana ireo Mpitandrina sy Mpampianatra navoakan’ny Toeram-Panomanana (TPM, IFRP) ny Alahady 22 Novambra 2020 ao Antsahamanitra
  4. Ireto indray misy fotodrafitrasa antsika FJKM vita fitokanana :
    • Ny 14 Novambra 2020 : Trano fivavahana (Chapelle) eny amin’ny TPM IVATO, izay vokatry ny fiarahamiasantsika FJKM sy ireo Kristianina any Korea Atsimo
    • Ny 20 Novambra 2020 : Sekoly Teknika, tobim-pahasalamana, kianja fanaovam-baolina, tanin-janakazo ao FIHAONANA VONIZONGO VAVOLOMBELONA SP/FPMP 35 fiaraha-miasa amin’ny CWM.
  5. Zava-dehibe ry havana, ny fanehoana ny fahaveloman’ny finoana maha-kristianina tamin’ny namaliantsika ny Antso nataon’ny Foibe mba hijery ireo vahoaka any Atsimo tratry ny KERE : vavaka, tolo-tanana ho fiantrana sy fitsinjovana, fananganana fotodrafitrasa fitehirizana rano sns, … Efa naterina izay voaangona fa mitohy hatrany ny fanangonana. Koa entanina isika hanome satria mampihatra ny atao hoe Fanahin’ny fiombonana sy fahafoizana izany. Hoy i Jesoa hoe : «Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray» (Asa 20. 35).
  6. Maro ireo Fiangonana sy SP nahavita 100% ny adidiny aty amin’ny Foibe, ka tolorana fisaorana ombam-pirariantsoa hahefa be hatrany araka ny voasoratra hoe : «…mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo» (1 Kor 15. 58b).
  7. Raha Sitrapon’Andriamanitra dia hotanterahina amin’ny taona 2021 ireto fivoriana ireto :
    • Fitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM sy ny taom-piasana 2021 ny 17 janoary 2021
    • SYNODA LEHIBE faha 19 ny 11-18 Aogositra 2021, SAMBAVA SP 16 KRIFAA
  8. Manoloana ny trangam-piarahamonina miseho ankehitriny : ny kolikoly, ny fanolanana sy ny «Corona Virus», izahay dia mampahery ny vahoaka kristianina rehetra, hahery amin’ny vavaka, ho sahy hijoro ho vavolombelon’ny TOMPO JESOA, ka hiaina sy hivelona amin’ny finoana marina araka ny Tenin’Andriamanitra, izay «Sabatry ny Fanahy» (Efes. 6.17b).
  9. Tsarovy, ry havana ny anjara toeran’ny Sekoly eo amin’ny fiainam-piangonana sy ny firenena. Koa entanina isika hanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny Sekolim-piangonana, singanina amin’izany ny fanatanterahana ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly.

Dia mirary Krismasy sambatra sy Taom-baovao feno fitahiana ho antsika rehetra ao amin’i Jesoa Kristy Tompo.

« Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao, Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao, hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana! » (Nom. 6. 24-26)

Natao teto Antananarivo, androany 19 Novambra 2020

Ny Filohan’ny FJKM
Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV