Hafatry ny Filoha / Des 2019
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
Ny dikany? – Vontosy vavaka!
Mivavaha mba ho anao
Hahafahanao miaina
Ny finoana tena izy,
dia finoana latsa-paka
fa tsy ivelambelany ihany.
Dia mivavaha mba ho anao
Hahatonga anao ho sahy
Hizara koa ho an’ny hafa
Ny famonjen’i Kristy.
Dia mivavaha mba ho an’ny hafa
Mba hotahina koa ny fiainany,
mba tsy ho velombelom-poana
fa hiaina tena fiainana
izay omen’i Kristy,
izay hany sahy niteny hoe:
“Izaho avy mba hananana
Ny fiainam-be dia be!”
Dia mivavaha ka mba tsarovy
I Madagasikarantsika:
ireo mpitondra rehetrarehetra
samy hatahotra ny Tompo
ka hikatsaka tokoa
-tsy amin’ny teny sy kabary,
Fa amin’ny asa sy ny marina-
Ny hahasoa ireo vahoaka
Eo ambany fiadidiany!
‘Ndeha àry, mivavaha:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO AMMI