Ambohimanala Filadelfia

FJKM AMBOHIMANALA FILADELFIA

NAHATANTERAKA FETY ROA SOSONA

Fanokanana ho Mpitandrina an’i Ramatoa RAKOTOBE Onitiana Patty Angelina

Tontosa ny Alakamisy 19 Septambra 2019, ny lanonana roa sosona notanterahina tao amin’ny FJKM Ambohimanala Filadelfia:  Fanokanana ho Mpitandrina an-dRtoa RAKOTOBE Onitiana Patty Angelina, rehefa nahavita ny fianarany teny amin’ny Toeram-Panomanana ho Mpitandrina Ambatonakanga, ary taorian’izay, nitondra Fiangonana tao anatin’ny taona maro; ny faharoa, ny Fandraisan-tanana azy, nohon’ny fiaraha-miasa matotra iarahany amin’ny FJKM Ambohimanala Filadelfia.

Ao anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo SPAA11 no misy ny FJKM Ambohimanala Filadelfia. Tonga nanotrona azy mianakavy, tamin’izany fety poa-droa izany, ny solontenan’ny Mpiandraikitra Foibe FJKM, ny Mpanolontsainan’ny Biraon’ny M.F, ANDRIAMAMPIANINA Zaka Harimasy, Mpitandrina sy RASELIHARILAHATRA Georges Audin, Mpitandrina, niaraka tamin’ny Biraon’ny SPAA11, notarihin’ny Prezida Synodaly RABELISON Harimanitra Manassé, Mpitandrina. Nanotrona ihany koa, ny Filohan’ny FIFAMPI, RAMILIARISONA Tiana, Mpitandrina, miampy ireo mpino kristiana isam-pitandremana ao anaty Synodamparitany izay tonga maro nameno ny trano fiangonana, niampy ireo hafa nasaina toa ireo mpino kristiana avy tamin’ireo Fiangonana roa niandraiketany teo aloha dia ny FJKM Antanety Finoana sy ny FJKM Antanimena Atsinanana Fifaliana.

Nitarika ny fotoana ny Prezida Synodaly; Nitondra ny hafatr’Andriamanitra kosa ny Mpitandrina, RASELIHARILAHATRA Georges Audin, izay niainga tamin’ny Soratra masina tao amin’ny 1 Korintiana 3:9, izay teny fanevan’izao fety roa sosona izao. Anisany ny nifarimbona tamin’ny fanokanana ihany koa izy niaraka tamin’ny Prezida Synodaly sy ny Filohan’ny FIFAMPI.

Nisy ny fanolorana Fahatsiarovana sy Tsodrano nataon’ireo mpanotrona rehetra, ho an’ny Mpitandrina mianakavy.

Marihina fa ny Mpitandrina RAKOTOBE Onitiana Patty Angelina dia manambady ary niteraka telo lahy izay nanandratra hira iray tao anatin’ny fotoana ho mariky ny fifalian’izy ireo sy ho fisaoran’izy ireo an’Andriamanitra Mpamonjy.

            Nofaranana teny amin’ny trano fanaovan-danonana, teny Mandromena, tamin’ny fiaraha-nisakafo sy fanapahana mofomamy ary fizarana izany tamin’ny tsirairay, ho fiombonan’aina, ny fiarahan’ny daholobe.

                                                                                                                                 MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV