Miadia ny ady tsaran’ny finoana

Fanazavana PERIKOPA Aogositra 2019.

            Ny Perikopa voalahatra ho amin’ny alahady farany amin’ity volana aogositra ity no anolorana tari-dalana eto amin’ity andian-dahatsoratra ity. Ireto perikopa ireto dia samy manana ny endriky ny ady tsara asehony.

  • Nomery 13, 30- 14, 9: Miatrika ny ho fiakarany, handova ny teny fampanantenan’i Jehovah ny Zanak’Israely eto amin’ity perikopa ity. Mitohy ny diany tany an’efitra ary efa madiva hifarana. Naniraka ny Mpisafo-tany i Mosesy mba hamantatra ny ady tsy maintsy hatrehany raha hiditra ka handova ny tany Kanana izy ireo. Tsy mandeha ho azy eo amin’ny olony ny teny fampanantenana ataon’i Jehovah fa mila fandraisan’andraikitra avy amin’izay hisitraka izany mba ho fanehoana ny ho fahavononany handova ny teny fikasana. Noho izany, ny ady tsara eto, dia ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra. Izay miaina ny Tenin’Andriamanitra dia Mpiady tsara ka: Voalohany, ny mpiady tsara dia tsy mitoky amin’ny heriny: Na dia nampanantena ny tany Kanana ho lovan’ny Zanak’Israely azy Andriamanitra dia tsy nitoky tamin’ny heriny izy ireo fa tsy maintsy namantatra ny mety ho sakana rehetra. Ny faharoa, ny mpiady tsara dia mitoky amin’ny Tenin’ny Tompony: teo anoloan’ny herin’ny Kananita dia kivy ny iraka mpisafo-tany. Raha ny herin’ny tena dia mety hahakivy ny ho fiainana amin’ny tenin’Andriamanitra. Fa i Josoa (avy amin’ny taranaky Efraima atao hoe Hosea na nantsoina hoe: Josoa, araka ny Nom. 13, 16) sy i Kaleba (avy amin’ny taranaky Joda, Nom. 13, 6) kosa dia natoky noho ny tenin’ny Tompo. Izy no nampanantena dia izy ihany no hahatanteraka ny fampanantenany. Fianarana ho antsika izay miaina ny ady tsara izany.
  • Matio 15, 21- 28: Ity vehivavy Kananita ity dia sarin’ny olona miaina ny ady tsaran’ny finoana. Niatrika ny aretin-janany izy. Ny zanaka marary, i Jesoa izay nantenaina hanasitrana tsy mamaly azy (and. 23), ny mpianatra mpanara-dia an’i Jesoa mivonona ny handroaka azy mihitsy. Nony mba nitodika taminy indray i Jesoa dia tsy vonona ny hanasitrana an-janany. Ambonin’izany, i Jesoa nanavaka azy ho olona tsy tokony hisitraka anjara avy aminy. Ny fifampiresahana amin’i Jesoa, izay sarin’ny fiainam-bavaky ny mino no azo ampifanindranin-dalana amin’izay, ka ambara ho : ady tsara. Teo anoloan’izany, ny ady tsara eto dia miseho amin’ny fanekena hietry eo anoloan’ny Tompo Jesoa. Ny fanekena hanetry tena dia tena zava-dehibe eo amin’ny ady tsara. Ny fiankohofana, ny fanekena ho isan’izay tsy mendrika iantrana ka vonona handray izay sombim-pamonjena izay anjaran’ny hafa no isehoan’io fietrena io.
  • Apokalipsy 3, 14- 22: Isan’izay mampiavaka ny Apokalipsy ny fisian’ireo epistily iray avy ho an’ireo fiangonana fito tany Azia Minora. Azo atao tsara ny mandinika ireo taratasy ireo amin’ny fomba fijery mitovy ka amaliana ireto fanontaniana ireto: Iza no anarana iantsoana an’Andriamanitra mitafa amin’ny Fiangonana tsirairay? Inona no mampiavaka ilay Fiangonana anoratana? Ary inona no votoatin’ny hafatra? Fa raha hitaratra izay ady tsara tsy maintsy hatrehin’ny fiangonana tao Sardisy  isika dia anjara adiny ireto: ny hiatrika ny asa amin’ny hoavy rehetra mba ho asa mitondra ho amin’ny fahavelomana na fiainana (and. 2). Ny fiatrehana ny asa amin’ny hoavy rehetra dia tsy maintsy tsaroana ho anjara ady tsara ka raha hoavy ny Tompo dia handray ny manompo mahatoky Izy mba hotolorany ny anjarany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

Foibe JKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV