Trano Fiangonana FJKM.

Ny Fanorenana trano Fiangonana

            Iray amin’ireo teny fandrisika iainan’ny FJKM efa ho taona maromaro izao ny hoe: “Vontosy Filazantsara ny nosy Madagasikara.” Miara-mientana ny Fiangonana rehetra ho fanatanterahana izany. Ny asa fitoriana ny Filazantsara anefa dia tsy misaraka amin’ny ho fanorenana trano fiangonana. Na izany aza, ny fitoriana dia tsy voafefin’ny faritra raha miohatra amin’ny trano fiangonana. Ny lalàna ara-panjakana izay mifehy ny fivavahana dia mametra fa ny trano fiangonana dia tsy maintsy misy 200 metatra ny elanelany raha mifanakaiky indrindra.

Ny Foto-dalana sy fitsipika (FDF) anefa dia tsy mamaritra ny faritra na ny elanelana ho amin’ny fanorenana. Ny antom-pisian’ny trano fiangonana no tazana ao amin’ny FDF.

Ny trano Fiangonana no anatanterahana ny fanolorana ny sakramentan’ny Batisa, araka ny Fitsipiky ny FJKM and. 20 hoe: “Ao amin’ny fanompoam-pivavahana tanterahina ao amin’ny trano fiangonana na amin’ny fivoriam-piangonana ihany no anolorana ny Sakramentan’ny Batisa.”

Toy izany ihany koa: ao amin’ny trano fiangonana no anatanterahana ny fanompoam-pivavahana ho fanamasinana ny fanambadiana araka ny Fitsipiky ny FJKM and. 86: “Ny fanamasinana ny fanambadiana kristiana, dia ao amin’ny trano fiangonana ihany, ary azo tanterahina ao anatin’ny fanompoam-pivavahana rehetra ataon’ny Fiangonana koa izany”.

Ny olona miombona ao amin’ireny trano fiangonana ireny no mpiara-miangona. Ara-bakiteny, ny mpiara-miangona dia ireo olona miangona amin’ny toerana iray mba hanatanteraka fiaraha-mivavaka. Eo am-boalohany dia mety ho sekoly na tranon’olona tsotra no iangonany ka aty aoriana vao ho ao an-trano fiangonana mba ho tonga Fiangonana izay handrafitra ny Fitandremana, mba hahatongavany ho ambaratongan-drafitra. Ireny Fitandremana mitambatra ireny no niray ho Synodamparitany.

Hatreto dia tsy mbola misy ny fitsipika sy fepetra fampiharana momba ny ho fanorenam-piangonana (trano) eto anivon’ny FJKM. Azo heverina ve ny fisainana hoe: rehefa tsy misy fitsipika sy fepetra fampiharana dia azo atao ny manangana trano fiangonana etsy sy eroa, eo anivon’ny samy FJKM?

Na manao ahoana na manao ahoana fitombon’ny trano Fiangonana aorian’ny FJKM etsy sy eroa dia tsy izany mihitsy no hampihena ny isan’ireo mpiara-miangona ao amin’ny fiangonana niorina taloha. Ny FJKM mantsy dia saiky fiangonana ara-tantara ny ankamaroany; izany hoe: mifamatotra ao amin’ilay trano fiangonana ny tantara maha mpiangona azy ka tsy ahiana ho tsy misy olona indray ny efa feno raha hisy fanorenana vaovao eo akaiky.

Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra.

Rasorapiangonana

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV