Fiang Tranovato Anatirova

Feno 150 Taona

Tanteraka soa aman-tsara ny fotoam-pivavahana natao ny Sabotsy 20 Jolay 2019 tolakandro, teny amin’ny fiangonana Tranovato Anatirova Manjakamiadana, ho fiderana sy ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, nohon’ny andro ahatsiarovana ny faha-150 taona nanorenan’ny L.M.S. (London Missionary Society) ny trano fiangonana, izay nanamarika ny fialan’ny andro maizina teto Madagasikara, dia ny nanenjehana ny mpino kristiana tamin’ny andro nahaveloman’ny Mpanjaka RANAVALONA I.

            Nanao ny asa fanompoana, ny Diakona avy eny amin’ny FJKM Ambohitantely, ary teo amin’ny lafiny zavameno, nanatanteraka izany ireo mpitendry sy mpitsoka zavamanenon’ny FJKM.

            Nitarika ireo Mpitandrina FJKM, miasa ao amin’ny Foibe, izay nandray anjara tamin’ny vavaka sy ny vakiteny araka ny perikopa, ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana, Atoa RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina

            Nitondra ny hafatr’Andriamanitra, ny Filoha FJKM Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina, ka nataony fototra niaingany, nakany ny hafatra ny Soratra Masina ao amin’ny Filazantsara araka an’i Marka 6:45-52. Nambarany fa, misy zavatra telo lehibe, tian’Andriamanitra hovelomina ao amin’ny olombelona tsirairay, dia ireto: 1- Mitondra ny Fiangonany Izy. 2- Misedra ny Fiangonany Izy. 3- Mampandresy ny Fiangonany Izy. Tsy tian’i Jesoa Kristy ho sodokan’ny fahombiazana hitany sy niainany ny mpianany izay fiangonana voalohany, ka nasainy nandeha mba tsy ho variana, rehefa avy nizara sakafo ho an’ny olona tsy omby dimy arivo, sy avy nanangona ny ambin’ny sakafo, izay nitontaly roambin’ny folo sobika. Ny olon’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonana, dia mankato ny tenin’ny Tompo ary ny Tompo Jesoa Kristy dia mazoto mivavaka ary mitondra am-bavaka ny Asan’Andriamanitra sy ny olony. Rehefa tojo zava-manahirana ny olon’Andriamanitra, dia tsy mijery fotsiny ny Tompo, fa tonga manatona, manakaiky ny olony, mitondra vahaolana avy hatrany ho famonjena. Sedra avokoa ireo zava-manahirana mitranga eo amin’ny fiainan’ny mpino sy ny Fiangonana ireo, nefa i Jesoa Kristy tsy mamela irery ny olony, amin’ny fiatrehana samy irery izany sedra izany. Nambarany fa rehefa miaraka amin’i Jesoa Kristy dia voavaha ny olana rehetra ka mandresy ny sedra rehetra mihatra aminy ny mpino. Amin’izay olana atrehin’ny mpino izay, dia akaiky ny olony hatrany, i Jesoa Kristy ary miteny, mampahery sy mamerina ny olony hatoky Azy, eo amin’ny fiainany. Manoloana izany rehetra izany, dia mila olona mijoro amin’ny fahamarinan’Andriamanitra ny firenena, satria rehefa miaraka amin’i Jesoa Kristy tsy maintsy tafita ny dia. Mandalo ny zavatra rehetra (Sivilizasiona, ny seza fiandrianana, sns), hoy izy, fa ny Fiangonana dia, eo hatrany mitoetra. Noho izany, mila taranaka vanona vaovao, hifampitantana ahafahana mamonjy ny firenena hiala amin’ny fahalovana, izay eken’ny rehetra fa fanetriben’ny firenena ary mahatonga izao fahantrana tsy roa aman-tany eto Madagasikara izao. Efa misy ny fivondronan’ireo olona resy lahatra ary vonona hiady amin’ny fahalovana, hahafahana manasitrana ny fahantrana eto Madagasikara, ka mikambana ao amin’ny “Chaîne d’honnêteté”, izay niforona tamin’ny 1987 (Tohivakan’ny fahamarinana izay tambazotran’ny kristiana Malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana ary mikendry ny hamerenana amin’ny laoniny ny Fahamarinana eto anivon’ny firenena).

            Nandray fitenenana, namerina ny tantaram-piangonana, tamin’ny nialan’ny andro maizina nohon’ny fanenjehana kristiana, Atoa RAKOTONAVALONA Maholy, Mpitandrina ka nilaza ny fisian’ny sampy telo lehibe tamin’izany vanim-potoana izany, nefa ny finoana kristiana ihany no naharesy lahatra ny Mpanjaka RANAVALONA II, ka noporofoiny tamin’ny fanomezany alalana ny LMS nanangana izao tranovato fiangonana eo Anatirova Manjakamiadana izao. Ny Alahady 20 Jolay 1869 no nametrahana ny vatofototry ny tranovato fiangonana, ka ny 8 Aprily 1880 no vita ny tranovato fiangonana ary notokanana. Tao amin’io trano fiangonana naoriny io, ny Mpanjaka RANAVALONA II, no natao Batisa.   

Tonga nanatrika ny fotoana ny solontenam-panjakana, ary nitondra ny hafatra avy amin’ny Filoham-pirenena.

Namarana ny fandraisam-pitenenana, Atoa RAKOTOMAMONJY Georges Henri, Filoha Mpanampy FJKM, ka nambarany fa ny kristiana dia olona mino ka mahalala an’Andriamanitra, izany hoe mahalala tsara ny Teniny. Ny kristiana dia olona mahay ny asan’Andriamanitra, ary ny kristiana dia olona mpankato ka manatanteraka ny Tenin’Andriamanitra.

Marihina fa haharitra herintaona ny fankalazana izao andro faha-150 taona nanorenana ny tranovato fiangonana Anatirova eny Manjakamiadana izao, izay tsiahivina fa efa tafiditra ho isan’ireo vakoka iraisam-pirenena.

                                                                                                                                    MAMY NIRINA

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV