FFPM / « Manonga »

Hisokatra ny Talata 11 jona 2019 hoavy izao ny toerana antsoina hoe « Manonga » etsy Ambatovinaky. Ny « Manonga dia ahitana toeram-pisakafoanana sy fanaovam-bolo ary fivarotana asa tanana. Misy trano natokana handraisana ireo mpilatsaka antsitrapo vahiny koa ao amin’ny « Manonga ». Ny Akany Avoko Faravohitra no miandraikitra io toerana io izay notokanan’ny Mpitandrina IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Filohan’ny FFPM ny Sabotsy 01 jona 2019 lasa teo.

Afaka 18 volana dia kendrena hahasahana ny 30 isanjaton’ny fandanian’ny akany amin’ny fikarakarana ireo ankizy beazina ao aminy ny vola ampidirin’ny « Manonga ».

Koa manasa antsika hitsidika izany toerana izany sy hanjifa ny zavamisy atolotry ny « Manonga ».

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV