Hafatry ny Filoha

HAFATRA PENTEKOSTA 2019.

     Ry Kristianina havana sy isika Malagasy Mpiray tanindrazana,

 Migadona indray ity ny Andro Firavoravoan’ny Pentekosta. Koa miarahaba antsika isam-batan’olona sy isam-baravarana ary isam-piangonana: ho aminareo anie ny fiadanana!

Ao anatin’ny rivotra misafotofoton’ny fiandrasana ny valim-pifidianana sy ny fivaivain’ny endriky ny tsy fandriampahalemana mampandry andriran’antsy ny mpiara-monina ary ny onja manao sangy ratsy te handentika ny sambokelin’ny Fiangonana no amangian’Andriamanitra antsika indray hampahatsiaro antsika ireto lafy telon’ny Andro Pentekosta ireto:

        -Voalohany: ny Pentekosta dia andron’ny firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.

Tenim-pirenena maro no nampitenenan’ny Fanahy Masina ireo Apostoly, fa hafatra tokana kosa no nampitain’izy ireo dia ny zava-mahagaga nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, maty sy nitsangana tamin’ny maty hamonjy antsika! Koa hiasa manan-kery amintsika anie ny Fanahy Masina hampiray antsika ao amin’i Kristy, na toa inona na toa inona fahasamihafantsika eo amin’ny fiaviana, ny antoko, ny faharesen-dahatra, ny fomba fijery, sy ny hafa koa.

         -Faharoa: ny Pentekosta dia andron’ny tafika masina.

Ny mpianatr’i Kristy rehetra dia samy nipetrahan’ny lela mitarehin’afo ka niteny avokoa. Ary ny toritenin’i Petera no namehy izay nambaran’izy rehetra ka namaboan’ny Fanahy Masina olona tsy latsaky ny 3000 tamin’iny Pentekosta voalohany iny handray an’i Kristy! Koa hiasa manan-kery amintsika anie ny Fanahy Masina mba hampiredareda ny fahasahiana masina hitaona olon-kafa ho an’i Kristy amin’izao miara-belona amintsika izao!

        – Fahatelo: ny Pentekosta dia andron’ny fanavaozan’Andriamanitra.

Fa tany Babela fahizay, dia niparitaka ny olombelona izay nentanin’ny firaisan-kina ratsy hihaika an’Andriamanitra velona. Hambom-po adalan’ny mpanota feno avonavona no tao amin’izy ireo. Fa tamin’ny andron’ny Pentekosta kosa, nampiraisin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Fanahiny Masina isika olombelona, ka na samy hafa fiteny aza, tafaray tao amin’ny Filazantsaran’i Kristy. Koa hiasa mana-kery amintsika anie ny Fanahy Masina ka hanavao antsika ho mpiara-manangana amin’Andriamanitra ny tempolin’ny fitiavana sy ny finoana marina, tsy hanorenantsika indray ny tilikambon’ny fiavonavonana mampidi-doza!

         Dia mirary Pentekosta sambatra ho antsika rehetra, ry havana! “Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana amin’ny Fanahy Masina!” (2 Kor 12:14)

        ARY HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY NY VONINAHITRA!

Faravohitra, Pentekosta 2019

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV