SPAIM 15 / Misionera

NANDEFA MISIONERA NAMAKY LAY

TANY BELINDO-BEKILY

Ho fanatanterahana ny vinantsika FJKM hoe:”Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara !” sy ny fikasana hanorina FJKM any amin’ny kaomina tsy mbola misy azy dia indro fa nandeha namaky lay tany Belindo-Bekily (Toliara) ny misionera valo mianadahy tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Tranovato Alatsinainy Bakaro SPAIM 15.

Fitandremana vitsivitsy ao amin’ny SPAIM no efa manana misionera ka rehefa nampiofanin’ny Biraon’ny SP izay notarihin’ny Filohany dia Atoa Rabenantoanina Solofonindriana Mpitandrina izy ireny dia nanapa-kevitra ny tao Alatsinainy Bakaro fa handeha. Efa samy nahafantatra ny kaomina alehany avy ny Fitandremana. Ka io kaomina Belindo io ny azy. Marobe ny misionera ao fa valo no nandeha noho ny antony ara-bola. Niainga ny talata 16 Aprily lasa teo ary tafaverina ny 24 Aprily 2019. Fiara manokana avy amin’ny Zanaka am-pielezan’ny FJKM ihany no nohofaina.

Fokontany iray amin’ny amin’ny 48 ao Belindo no naleha. Tao Anezandava io. Vita tsara daholo ny fihaonana tamin’ny manam-pahefana sy ny Mpitandrina FJKM tao Bekily ary ny Pastora FLM tao Belindo. Maro olona ihany ilay Anezandava fa tsy mety miangona tao amin’ny FLM raha tsy hanorenana fiangonana, hono, izy. Dia hoy ny misionera hoe:” Io izany no tena anjarantsika”.

Natao ny fampianarana, fitoriana mba handraisan’ny olona an’i Jesoa Kristy. Nitety trano.  Nisy roa vavy mpampivelona FJKM tao nifanampy taminy. Tao koa Ra-Christophe izay anisany nanorina ny FJKM tao Bekily, izy no mpandika teny. Rangahy lehibe manana ny maha-izy azy. Nihaonana ny mpihazona ny hazomanga sy ny Dadilahy lehiben’ny mpisikidy. Samy noresena lahatra sy nitoriana.

Natsangana tamin’ny Alahady Paska teo ny Vondron’Olona Mivavaka satria nisy 80 no olona tafavory teo. Tanora atao hoe:”Mbola hoavy” sy vehivavy roa hafa no tena vonona hitarika (Mbola samy marefo ara-panahy ireo). Be no tsy mahay mamaky teny ka asa izay anaovany ny Baiboly sy ny boky hafa efa nozaraina. Vonona sy faly hanorenana trano fiangonana ry zareo. Nomena fitaovana atao fefy.

Lafy tsarany: be ihany ny olona no manana omby, ondry, osy; vokatra ny voanjo lava. Milamina ny tanàna eo, fa tsy navelan’ny sefom-pokontany handeha lavitra fa sao misy dahalo.

Lafy ratsy: tsy misy, tsy ampy ny tranokely fivoahana ka ny kisoa marobe no mandripaka ny loton’ny olona. Mbola be ny lehilahy manambady maro, vitsy no misora-panambadiana.

Misy ny fanantenana na sarotra aza satria mbola malemy ara-panahy ilay hitarika, ka mila vavaka tsy mitsahatra. Programan’Andriamanitra ho anay ao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Tranovato mihitsy ny hampijoro io FJKM ao Anezandava io, hoy izy 9 mianadahy mbamin’ny Rabhy, mpamily lasa mpitory.

Ny misonera tany dia Sarah, Filoha – Niry, Talem-Paritra FPMP SPAIM 15 – Tovokely (SA)- Achille (SLK) – Solangr (STK) – Ra Suza (SAFIF) – Ranaivoson (Loholona) – Flore (Antoko mpihira) (hita eo amin’ny sary teo am-piaingàna).

Hitohy ny asa na ho sarotra aza satria isika tsy naman’izay mihemotra, hoy izy ireo. Ary tsy menatra ny Filazantsara isika satria herin’Andriamanitra ho famonjena izay mino izany, (Rom1:16).

Ho an’Andriamanitra ny voninahitra.

AnRIRA YDA

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV