Hafatry ny Filoha / Mey 2019.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa ny fitsanganantsika

Mba handeha sy hampiely

Izato filazantsara

Dia azo antoka tanteraka

Fa hanjary lakolosy

Ho an’ny hafa marobe

Ka hanaitra ny hambom-pony

Hirotsahany eo an-tany

Fiadiana ihany koa

Hampandresy ny hatsarana,

Ny fiadanana, fitiavana,

Ny fahadiovana, hamasinana,

Ny fahamarinana iainana.

Fa raha miitatra tokoa

Ny ambaindain’ny Hatsarana

Dia hihena ny haratsiana!

Raha mitombo ny fiadanana

Sy fitiavana ihavanana

Dia ho lefy ny korontana!

Raha mahazo laka hatrany

Ny masina, madio sy marina

Dia ho lao ny fahantrana!

Ny olom-banona rehetra

Dia mangetaheta ireo

Hanenika ny Nosintsika!

Koa ny olom-banona rehetra

No andao hamondron-kery:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV