Seminera FJKM Ambatobevanja

Trano tamin’ny 1901 no narenina tanteraka

Notokanana ary natolotra ny FJKM sy ny toeram-panomanana Mpitandrina ny Sabotsy 27 Aprily 2019 lasa teo ny fanavaozana ny trano « Betlehema » ao amin’ny seminera FJKM Ambatobevanja. Izany asa izany dia tsangambaton’ny faha-40 taonan’ny sampana Vondrona Fototra Laika avy eo amin’ny FJKM Ankadifotsy. Ny teny faneva entin’izy ireo mandritry ny fankalazana dia nalaina avy ao amin’ny  Jakoba 2:18b  » fa izaho kosa hanefa ny finoako amin’ny asako » .

Natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana ny fotoana izay notarihin’ny Talen’ny Seminera Ramatoa Andriamose Lisiarisoa Veromalala Mpitandrina ary ny Jakoba 2:18b no nakany ny hafatra tamin’izany ary namafisiny tamin’ny teny fanevan’ny SFL hoe: »Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany » Mat.5: 47b.

Nisy ny fandraisam-pitenenana maro samihafa taorian’izany, izay notarihin’ ny Sojaben’ ny toeram-panomanana Mpitandrina, ny Dr. Ramambason Laurent William Mpitandrina. Anisan’ny nandray fitenenana Ramatoa Ranjakavola, ny filohan’ ny VFL Ankadifotsy nampahatsiahy ny dingam-piainan´ny sampana tao anatin´izay 40 taona izay. Nisy ny fiaraha-niala hetaheta taorian’ny nitokanana ny trano « Betlehema » tany am-pamaranana ny fotoana. Tiana ny manamarika fa tamin’ny taona 1901 no nanorenan’ny misionera  ity trano « Betlehema »ity ka izao vao nisy fanarenana indray . Tokantrano 3 no afaka misitraka ity trano ity. Tranainy dia tranainy ny foto-drafitrasa ao Ambatobevanja. Miisa 75 no mpianatra Mpitandrina monina eny ankehitriny misy ny vao manomboka, fa misy koa ireo mamaramparana fianarana.

fifiav.

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV