VPL /FJKM Anosisoa Fitiavana


Natolotra ny zava-bita ary

notokanana ny takelabato fahatsiarovana .


Feno 25 taona ny Sampana Vondrona Fototra Laika tao amin’ny FJKM Anosisoa Fitiavana, SPAA 10. Nofaranana ny Alahady, 27 janoary 2019 lasa teo izany jobily volafotsy izany. Nitarika ny fotoana Andriamatoa toa RABENANDRASANA Herilantosoa,Mpitandrina tao an-toerana. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra Andriamatoa RADAVIDSON Andriamparany, Filohan’ny SFL foibe. Izay niainga avy amin’ny teny faneva hoe « Ary na inona na inona ataonareo dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo fa tsy ho an’olona » (Kol. 3 :23).

Tamin’io fotoana io no nanolorana sitraka sy takela-pahatsiarovana ho an’ireo birao rehetra nifandimby nandritra izay 25 taona izay, miisa 25 ihany koa izy ireo. Tsy nohadinoina ny nanao ny hira faneva ary ny sary famantarana na lôgô. Notsarovana manokana ihany koa ireo injeniera 3 mirahalahy nanao ny mari-trano. Fanavaozana tanteraka ny lakozia mba hanara-penitra sy fanatsarana ny birao fandraisana adidy no natolotr’izy ireo ho an’ny fiangonana. Mitentina 13 tapitrisa ariary no namitana izany; fa satria maro ny nanao tolo-tanana dia vita soa ara-potoana ny asa.


Ankoatr’ireo dia nisy ny tsangambato olona ho amin’ny sahan’asa famankian-teny. Nisy ihany koa ny fitokanana takela-bato ho fahatsiarovana izao asa izao. Andriamatoa RANDRIAMANGASON Lala Richard, filohan’ny komity, izay efa sady filohan’ny VFL teo aloha nandritra 20 taona dia nilaza fa aleo ny tanora amin’izay no handray andraikitra fa mila azy ny Tompo, hoy izy.Evariste RASOLOHERY,SF

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

Jona: MIARO NY OLONY NY TOMPO

| | 02. Ala. I man. Trinite
Salamo 44. 1–8 | Matio 12. 1–8 | 2Timoty 4. 16–18

| | 09. Ala. Il man. Trinite – SEKOLY FJKM
Ohabolana 22. 17–23 | Jaona 6. 34–40 | Efesiana 4. 11–16

FJKM Fahazavana

ANDRO NIAKARANA – 09 May 2024

SP ATSINANAN’ANKARATRA FAHAZAVANA (38)

Production FTV