FANDAMINANA AMIN’NY EZAKA TOLOTANANA

Antananarivo, 13 Febroary 2026

Ho an’ny Fiangonana manerana ny sahan’ny FJKM (Synodamparitany/Fitandremana)

SJ 20/13.02.26/RKJ-AIN

Antony: Hetsika manokana fangatahana fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny rivodoza Gezani-10 Febroary 2026

Ry havana malala ao amin’ny Tompo

Ho aminareo ny fahasoavan’ny Tompo Jesoa.

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny 10 Febroary 2026, dia maro ireo kristiana ao amin’ny FJKM Synodamparitany Toamasina – Vavahadin’ny Filazántsara, Fiangonana FJKM, Sekoly FJKM ary fianakaviana kristiana no traboina mafy, very fananana sy loharanom-pivelomana, ary sahirana amin’ny fanarenana ny simba.

Noho izany dia manao antso amin’ny Fiangonana FJKM rehetra isika mba hiara-hientana sy hanome fanampiana ho an’ ireo havantsika traboina

Fandaminana ny fanangonam-bola sy fanomezana

1. TELETHON :

Hisy Téléthon hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina

Zoma 20 Febroary 2026

Ny Mpitandrina, ny Diakona ary ny Loholona no hitarika sy Hanatanteraka ny fanomezana amin’ny Téléthon

Sabotsy 21 Febroary 2026

Ny Sampana sy Sampan’asa ary ny Asa eo amin’ny Fiangonana, miaraka amin’ny Tanora sy ny Mpianatra, no hitarika sy hanatanteraka ny fanomezana amin’ny endriny samihafa araka izay tratran’ny heriny avy

2. Alahady maraina

Ny Fiangonana FJKM tsirairay na ny Fitandremana FJKM dia samy hanao rakitra (fanangonana manokana)

3. Alahady 22 Febroary 2026-Tolakandro

Ny fanomezana rehetra voaangona dia ho entina mandritra ny fanompoam-pivavahana iombonana hatao ao FJKM ANDRIANARIVO FAHASOAVANA. manomboka amin’ny 2 ora sy 30 minitra tolakandro. Ny fanomezana rehetra dia hatolotra manontolo ho an’ ireo havantsika traboina any amin’ny Synodamparitany Toamasina SP 31- Vavahadin’ny Filazantsara

Koa aoka isika haneho firaisankina sy fitiavana amin’ny asa sy fanompoana, satria izao no fotoanan’ ny fiombonana sy fifanampiana marina.

Hoy ny Soratra Masina manao hoe:

« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino ny asanareo sy ny fitiavana nasehonareo ho voninahitry ny anarany, satria nanompo ny olona masina ianareo ery mbola manompo ihany, « Hebreo 6:10

Ho aminareo anie fladanana sy ny fahasoavan’ny Tompo Jesoa Lohan’ny Fiangonana.

Ny Sekretera Jeneraly

RAKOTONINDRAINY Jaona, Mpitandrina