EZAKA TOLO-TANANA

Isaorana ny TOMPO fa tontosa soa aman-tsara ny EZAKA TOLO-TANANA izay nataontsika ho fanohanana ireo traboina vokatry ny rivo-doza Gezani ny 10 Febroary 2026 lasa teo.

Misaotra antsika Synodamparitany, Fiangonana, Sampana, Sampanasa, Fikambanana, Mpitandrina, Diakona sy Loholona ary isika tsirairay avy nahafoy nitondra izay zaka ho amin’izany. Tao ny lelavola. Teo ihany koa ny entana ilaina isan’andro sy ny lamba isan-karazany.

Hatramin’ny Omaly 22 Febroary 2026 dia 164.114.781 Ariary ny lelavola voaangona. Mbola misy ireo manatitra ny anjarany tamin’ity andro ity.

«Fa tsy ho foana tsy akory ny fikelezanareo aina ho an’ny Tompo.» 1 Kor 15, 58d