Toetra takiana amin’ny mpitarika

Mofonaina anio: Talata, faha 25 Aogositra 2026

Sal.27.1-3 / Hira 549 : 1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 332

Nehemia 7,1 - 3
1 Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita, 2 dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben'ny tao an-dapa, hitandrina an'i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro. 3 Koa hoy izaho tamin'ireo: Aza avela hovohana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-pahafanan'ny andro; ary raha mbola milanona eo ny mpiambina, dia aoka harindriny ny varavarana, ka hidionareo; ary manendre mpiambina avy amin'izay monina ato Jerosalema ihany samy ho eo amin'ny fiambenany avy, dia samy ho eo amin'ny tandrifin'ny tranony avy.

« …Fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro » (and.2b)

Tsy ny olon-drehetra no azo omena andraikitra ho mpitarika amin’ny asa goavana, toy ny fitandremana an’i Jerosalema izay vao avy nandaniana fotoana sy hery ary harena tamin’ny fanarenana azy. Tsy maintsy nifantina tsara izay olo-mahatoky hanankinana izany i Nehemia. Ireto no toetra hitany tamin’i Hanany sy Hanania ka nanomezany azy io asa io:

1- Manam-pahendrena

Voalazan’i Nehemia fa izy roalahy ireo dia « …matahotra an’Andriamanitra… ». Ny hoe « matahotra » eto dia manambara fankatoavana sy fanajana lalina an’Andriamanitra. Izany hoe, tsy manao izay tiany fa mitandrina fatratra ny sitrapon’Andriamanitra. Ny Ohabolana 9, 10 dia manambara an’io fahatahorana an’i Jehovah io ho fiandoham-pahendrena. Noho izany, izay matahotra an’i Jehovah, feno fankatoavana sy fanajana Azy, dia sokajiana ho manam-pahendrena.

2- Miavaka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

Nanantombo kokoa noho ny an’ny vahoaka rehetra ny fahatahoran’izy roalahy an’Andriamanitra (mihoatra noho ny maro), izany no nanomezana azy ireo ity zara fanompoana manokana ity.

Ezaka tokony hataon’ny mpino ny fialana amin’ilay fampiononan-tena hoe: << kristiana tsotra >> ka mba hanezaka hihoatra noho ny sasany, araka ilay fanontaniana napetraky ny Tompo ao amin’ny Matio 5, 47 hoe: « …Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? »

Fanontaniana:

Inona koa ny toe-panahy tokony hananan’ny mpino eo am-panatanterahana ny asa fanompoana?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Toe-panahy mila hananan’ny mpino

Alatsinainy, 24 Aogositra 2026

Toe-panahy mila ananan’ny mpino I Solomona no nomen’i Davida fitokisana handimby azy amin’ny fanjakany. Izy…

Ny mpino mahatoky amin’ny asany

Alahady, 23 Aogositra 2026

Mahatoky amin’ny asany ny mpino Jesoa Kristy mivavaka no hitantsika eto. Ao anatin’ izany vavaka…

Fampitandremana ny amin’ny fampianar...

Asabotsy, 22 Aogositra 2026

Fampitandremana ny amin’ny fampianaran-diso Ny Epistily nosoratan’i Joda dia mampitandrina fatratra noho ny fisian’ ireo…