Resin’i Jesoa ny fakam-panahy

Mofonaina anio: Alarobia, faha 13 Mey 2026

Sal 119.105-112/ Hira 171.1.2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 261

Matio 4,1 - 11
1 Ary Jesosy dia nentin'ny Fanahy nankany an-efitra, mba halain'ny devoly* fanahy.[*Devoly = mpiampanga, na mpanendrikendrika] 2 Ary nifady hanina efa-polo andro sy efa-polo alina Izy, koa nony afaka izany, dia noana. 3 Dia nanatona ny mpaka fanahy ka nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, dia teneno ho tonga mofo ireto vato ireto. 4 Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra (Deo. 8. 3). 5 Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin'ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon ny tempoly, 6 dia nanao taminy hoe: Raha Zanak'Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao; Ary eny an-tànany no hitondran'ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin'ny vato ny tongotrao (Sal. 91. 11, 12). 7 Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao (Deo. 6. 16). 8 Ary ny devoly nitondra Azy Indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo ka naneho Azy ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny, 9 dia nanao taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao. 10 Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao (Deo. 6. 13). 11 Dia nandao Azy ny devoly, ary indreo, nisy anjely tonga ka nanompo Azy.

Alarobia, faha 13 May 2026

Sall19.105-112/Hira171.1.2/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira 261

Matio 4.1-11

Resin’i Jesoa ny fakam-panahy

1- Afaka handresy tahaka Azy koa isika

Rehefa avy natao batisa i Jesoa dia nitoetra taminy ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no nitondra azy hankany an’efitra nandritra ny efapolo andro. Ny efitra dia manambara tany foana, ahatsiarovana ny tantaran’ny zanak’Israely niala tany Egypta. Jesoa Kristy no Ilay Adama faharoa, izay nahatoky teo imason’Andriamanitra sy nahatohitra ireo fakam-panahy izay nihatra taminy; fa tsy tahaka ilay Adama voalohany, izay nanaiky ho voafitaky ny menarana. Nataon’ny menarana fitaovana ny Tenin’Andriamanitra izay nomena an’i Adama sy Eva tamin’ny nakany fanahy azy irco. Tahaka izany koa tamin’ny nakana fanahy an’i Jesoa. Lavon’ny fakam-panahy ny olombelona voalohany, fa i Jesoa kosa naharesy hatramin’ny farany. Ny fandresen’i Jesoa no santatry ny fandresen’izay rehetra manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina.

2- Ny Tenin’Andriamanitra no fiadiana handresena

Tokony homarihina eto fa ampiasain’ny devoly ho famitahana ny Tenin’Andriamanitra. Ny Tenin’Andriamanitra ihany koa anefa no nentin’i Jesoa nanohitra ny devoly araka izao: ny nahareseny ny fakam-panahy voalohany dia ny Tenin’Andriamanitra izay nampahatsiarovana ny niaretan’ny zanak’Israely tany an’efitra nandritra ny efapolo taona (and.4), tamin’ny faharoa dia nasehony tamin’ny alalan’ny Soratra Masina fa diso ny fampiasan’ny devoly ny Tenin’Andriamanitra (and.7), – ary mbola nankininy tamin’ny Tenin’Andriamanitra hatrany ny fandresena fahatelo (and.10). Ny Tenin’Andriamanitra no sabatry ny Fanahy. (Efe 6.17)

Fanontaniana:

Inona no avy ny Tenin’Andriamanitra voatahiry ao am-ponao?

Foibe Sampana Sekoly Alahady


Mofon'aina teo aloha

Ny fampianaran’i Jesoa

Talata, 12 Mey 2026

Ny fampianaran’i Jesoa 1- Fanahy sy fiainana Betsaka ny asa nataon’i Jesoa, izay nahatalanjona ny…

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masi...

Alatsinainy, 11 Mey 2026

Miasa ao amin’ny mino ny Fanahy Masina 1- Manome hery sy fahasahiana Raha ny momba…

Ny amin’ny fiaretana fijaliana

Alahady, 10 Mey 2026

Ny amin’ny fiaretana fijaliana Mety hihatra amin’ny olona avokoa ireto zavatra roa izay asongadin’ny Soratra…