Ny tena fivavahana marina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 30 Mey 2026
Sal 145. 1-7 / Hira 226 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / FF 10
Jaona 4,19 - 24
19 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, hitako fa mpaminany Hianao. 20 Ny razantsika nivavaka teto amin'ity tendrombohitra ity; fa ianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana. 21 Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin'ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin'ny Ray. 22 Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. 23 Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] 24 Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana.Ny tena fivavahana marina
1- Tsy fivavahana voafaritry ny toerana
Rehefa avy nanambara ny momba ity vehivavy Samaritana ity i Jesoa dia fantatr’ilay vehivavy hoe mpaminany ka nanontaniany ny momba ny ady hevitra ny amin’ny toerana tokony hivavahana. Ny Jiosy mantsy dia nilaza fa any Jerosalema, ny Samaritana kosa dia nilaza fa any Gerizima, ary ny razantsika hoy izy, dia nivavaka teto amin’ity tendrombohitra ity. Ahitsin’i Jesoa fa tsy ny toerana no mampanan-danja ny fivavahana, ary ho avy ny andro hoy Izy izay tsy amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema no hivavahana. Hoy tokoa ny Soratra Masina hoe: « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako dia eo afovoany aho » (Matio 18:20). Na aiza na aiza tokoa no hivavahantsika amin’ny Tompo dia mihaino antsika Izy.
2-Fivavahana amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana
Manambara mazava tsara i Jesoa fa Andriamanitra dia Fanahy, koa izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy sy ny fahamarinana. Ny hoe mivavaka amin’ny Fanahy dia midika fa tsy fomba fotsiny ny ivavahana fa tena fiainam-panahy; ary avy amin’ny fo lalina tokoa ka feno fahatsoram-po eo anatrehan’Andriamanitra. Ny hoe mivavaka amin’ny fahamarinana kosa dia miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra izay fahamarinana, sy araka ny sitrapon’ Andriamanitra fa tsy araka ny fandresen-dahatra manokana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Olana iray tokoa io rehefa mivavaka ny olona ankehitriny. Andriamanitra no tereny hanaiky izay fahotana tiany hatao, ho sandan’ny fanekeny hivavaka fa tsy izy no manaiky ny fahamarinan’ Andriamanitra rehefa mivavaka Aminy.
Fanontaniana:
Amin’ny fanahy sy ny fahamarinana tokoa ve no ivavahanao?
Foibe Sampana Sekoly Alahady